Luke 4

耶稣被圣灵充满,从约旦河回来,圣灵将他引到旷野,四十天受魔鬼的试探。
Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
那些日子没有吃什么;日子满了,他就饿了。
ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
魔鬼对他说:你若是 神的儿子,可以吩咐这块石头变成食物。
Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
耶稣回答说:经上记著说:人活著不是单靠食物,乃是靠 神口里所出的一切话。
Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3).
魔鬼又领他上了高山,霎时间把天下的万国都指给他看,
Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao.
对他说:这一切权柄、荣华,我都要给你,因为这原是交付我的,我愿意给谁就给谁。
Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
你若在我面前下拜,这都要归你。
koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
耶稣说:经上记著说:当拜主─你的 神,单要事奉他。
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20).
魔鬼又领他到耶路撒冷去,叫他站在殿顶(顶:原文是翅)上,对他说:你若是 神的儿子,可以从这里跳下去;
Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
因为经上记著说:主要为你吩咐他的使者保护你;
fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
他们要用手托著你,免得你的脚碰在石头上。
Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12).
耶稣对他说:经上说:不可试探主─你的 神。
Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16).
魔鬼用完了各样的试探,就暂时离开耶稣。
Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
耶稣满有圣灵的能力,回到加利利;他的名声就传遍了四方。
Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.
他在各会堂里教训人,众人都称讚他。
Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra.
耶稣来到拿撒勒,就是他长大的地方。在安息日,照他平常的规矩进了会堂,站起来要念圣经。
Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
有人把先知以赛亚的书交给他,他就打开,找到一处写著说:
Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
主的灵在我身上,因为他用膏膏我,叫我传福音给贫穷的人;差遣我报告:被掳的得释放,瞎眼的得看见,叫那受压制的得自由,
Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
报告 神悦纳人的禧年。
Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2).
于是把书捲起来,交还执事,就坐下。会堂里的人都定睛看他。
Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.
耶稣对他们说:今天这经应验在你们耳中了。
Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
众人都称讚他,并希奇他口中所出的恩言;又说:这不是约瑟的儿子吗?
Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?
耶稣对他们说:你们必引这俗语向我说:医生,你医治自己吧!我们听见你在迦百农所行的事,也当行在你自己家乡里;
Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.
又说:我实在告诉你们,没有先知在自己家乡被人悦纳的。
Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny.
我对你们说实话,当以利亚的时候,天闭塞了三年零六个月,遍地有大饥荒,那时,以色列中有许多寡妇,
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;
以利亚并没有奉差往她们一个人那里去,只奉差往西顿的撒勒法一个寡妇那里去。
nefa tsy mba nirahina ho any amin'ny anankiray tamin'ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin'ny tany Sidona ihany, dia ho any amin'izay vehivavy mpitondratena.
先知以利沙的时候,以色列中有许多长大痲疯的,但内中除了叙利亚国的乃缦,没有一个得洁净的。
Ary maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
会堂里的人听见这话,都怒气满胸,
Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin'ny synagoga, raha nandre izany,
就起来撵他出城,他们的城造在山上;他们带他到山崖,要把他推下去。
ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon'ny havoana niorenan'ny tanàna, mba hazerany amin'ny hantsana.
他却从他们中间直行,过去了。
Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
耶稣下到迦百农,就是加利利的一座城,在安息日教训众人。
Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin'ny Sabata.
他们很希奇他的教训,因为他的话里有权柄。
Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
在会堂里有一个人,被污鬼的精气附著,大声喊叫说:
Ary nisy olona tao amin'ny synagoga, izay nanana ny fanahin'ny demonia maloto, dia niantso tamin'ny feo mahery izy
唉!拿撒勒的耶稣,我们与你有什么相干?你来灭我们么?我知道你是谁,乃是 神的圣者。
ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.
耶稣责备他说:不要作声,从这人身上出来吧!鬼把那人摔倒在众人中间,就出来了,却也没有害他。
Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
众人都惊讶,彼此对问说:这是什么道理呢?因为他用权柄能力吩咐污鬼,污鬼就出来。
Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
于是耶稣的名声传遍了周围地方。
Ary niely teny amin'ny tany manodidina rehetra ny lazany.
耶稣出了会堂,进了西门的家。西门的岳母害热病甚重,有人为她求耶稣。
Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
耶稣站在他旁边,斥责那热病,热就退了。他立刻起来服事他们。
Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin'izay izy ka nanompo azy ireo.
日落的时候,凡有病人的,不论害什么病,都带到耶稣那里。耶稣按手在他们各人身上,医好他们。
Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin'ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin'izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
又有鬼从好些人身上出来,喊著说:你是 神的儿子。耶稣斥责他们,不许他们说话。因为他们知道他是基督。
Ary nisy demonia nivoaka tamin'ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
天亮的时候,耶稣出来,走到旷野地方。众人去找他,到了他那里,要留住他,不要他离开他们。
Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
但耶稣对他们说:我也必须在别城传 神国的福音,因我奉差原是为此。
Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra any amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
于是耶稣在加利利的各会堂传道。
Ary Izy nitori-teny tao amin'ny synagoga eran'i Galilia.