Luke 24

七日的头一日,黎明的时候,那些妇女带著所预备的香料来到坟墓前,
Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
看见石头已经从坟墓滚开了,
Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
她们就进去,只是不见主耶稣的身体。
Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo.
正在猜疑之间,忽然有两个人站在旁边,衣服放光。
Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
妇女们惊怕,将脸伏地。那两个人就对她们说:为什么在死人中找活人呢?
Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
他不在这里,已经复活了。当记念他还在加利利的时候怎样告诉你们,
Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
说:人子必须被交在罪人手里,钉在十字架上,第三日复活。
Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.
她们就想起耶稣的话来,
Dia nahatsiaro ny teniny izy.
便从坟墓那里回去,把这一切事告诉十一个使徒和其余的人。
Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.
那告诉使徒的就是抹大拉的马利亚和约亚拿,并雅各的母亲马利亚,还有与她们在一处的妇女。
Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.
她们这些话,使徒以为是胡言,就不相信。
Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
彼得起来,跑到坟墓前,低头往里看,见细麻布独在一处,就回去了,心里希奇所成的事。
Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
正当那日,门徒中有两个人往一个村子去;这村子名叫以马忤斯,离耶路撒冷约有二十五里。
Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.
他们彼此谈论所遇见的这一切事。
Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
正谈论相问的时候,耶稣亲自就近他们,和他们同行;
Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
只是他们的眼睛迷糊了,不认识他。
Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
耶稣对他们说:你们走路彼此谈论的是什么事呢?他们就站住,脸上带著愁容。
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
二人中有一个名叫革流巴的回答说:你在耶路撒冷作客,还不知道这几天在那里所出的事吗?
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?
耶稣说:什么事呢?他们说:就是拿撒勒人耶稣的事。他是个先知,在 神和众百姓面前,说话行事都有大能。
Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
祭司长和我们的官府竟把他解去,定了死罪,钉在十字架上。
dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
但我们素来所盼望、要赎以色列民的就是他!不但如此,而且这事成就,现在已经三天了。
Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany.
再者,我们中间有几个妇女使我们惊奇;她们清早到了坟墓那里,
Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,
不见他的身体,就回来告诉我们,说看见了天使显现,说他活了。
ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
又有我们的几个人往坟墓那里去,所遇见的正如妇女们所说的,只是没有看见他。
Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
耶稣对他们说:无知的人哪,先知所说的一切话,你们的心信得太迟钝了。
Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
基督这样受害,又进入他的荣耀,岂不是应当的吗?
Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
于是从摩西和众先知起,凡经上所指著自己的话都给他们讲解明白了。
Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.
将近他们所去的村子,耶稣好像还要往前行,
Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
他们却强留他,说:时候晚了,日头已经平西了,请你同我们住下吧!耶稣就进去,要同他们住下。
Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
到了坐席的时候,耶稣拿起饼来,祝谢了,擘开,递给他们。
Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
他们的眼睛明亮了,这才认出他来。忽然耶稣不见了。
Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
他们彼此说:在路上,他和我们说话,给我们讲解圣经的时候,我们的心岂不是火热的吗?
Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?
他们就立时起身,回耶路撒冷去,正遇见十一个使徒和他们的同人聚集在一处,
Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo
说:主果然复活,已经现给西门看了。
sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.
两个人就把路上所遇见,和擘饼的时候怎么被他们认出来的事,都述说了一遍。
Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.
正说这话的时候,耶稣亲自站在他们当中,说:愿你们平安!
Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
他们却惊慌害怕,以为所看见的是魂。
Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
耶稣说:你们为什么愁烦?为什么心里起疑念呢?
Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
你们看我的手,我的脚,就知道实在是我了。摸我看看!魂无骨无肉,你们看,我是有的。
Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
说了这话,就把手和脚给他们看。
Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
他们正喜得不敢信,并且希奇;耶稣就说:你们这里有什么吃的没有?
Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
他们便给他一片烧鱼。(有古卷在此有:和一块蜜房。)
Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.
他接过来,在他们面前吃了。
Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
耶稣对他们说:这就是我从前与你们同在之时所告诉你们的话说:摩西的律法、先知的书,和诗篇上所记的,凡指著我的话都必须应验。
Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
于是耶稣开他们的心窍,使他们能明白圣经,
Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
又对他们说:照经上所写的,基督必受害,第三日从死里复活,
Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
并且人要奉他的名传悔改、赦罪的道,从耶路撒冷起直传到万邦。
ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
你们就是这些事的见证。
Ary ianareo no vavolombelon'izany.
我要将我父所应许的降在你们身上,你们要在城里等候,直到你们领受从上头来的能力。
Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
耶稣领他们到伯大尼的对面,就举手给他们祝福。
Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
正祝福的时候,他就离开他们,被带到天上去了。
Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
他们就拜他,大大的欢喜,回耶路撒冷去,
Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.
常在殿里称颂 神。
Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.