Luke 22

除酵节,又名逾越节,近了。
Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
祭司长和文士想法子怎么才能杀害耶稣,是因他们惧怕百姓。
Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an'i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
这时,撒但入了那称为加略人犹大的心;他本是十二门徒里的一个。
Fa Satana niditra tao anatin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy;
他去和祭司长并守殿官商量,怎么可以把耶稣交给他们。
dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.
他们欢喜,就约定给他银子。
Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
他应允了,就找机会,要趁众人不在跟前的时候把耶稣交给他们。
Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona.
除酵节,须宰逾越羊羔的那一天到了。
Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
耶稣打发彼得、约翰,说:你们去为我们预备逾越节的筵席,好叫我们吃。
Ary Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
他们问他说:要我们在那里预备?
Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
耶稣说:你们进了城,必有人拿著一瓶水迎面而来,你们就跟著他,到他所进的房子里去,
Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin'ny trano izay hidirany.
对那家的主人说:夫子说:客房在那里?我与门徒好在那里吃逾越节的筵席。
Dia lazao amin'ny tompon-trano hoe: Izao no lazain'ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin'ny mpianatro?
他必指给你们摆设整齐的一间大楼,你们就在那里预备。
Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
他们去了,所遇见的正如耶稣所说的;他们就预备了逾越节的筵席。
Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
时候到了,耶稣坐席,使徒也和他同坐。
Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly.
耶稣对他们说:我很愿意在受害以先和你们吃这逾越节的筵席。
Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
我告诉你们,我不再吃这筵席,直到成就在 神的国里。
Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
耶稣接过杯来,祝谢了,说:你们拿这个,大家分著喝。
Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
我告诉你们,从今以后,我不再喝这葡萄汁,直等 神的国来到。
fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra.
又拿起饼来,祝谢了,就擘开,递给他们,说:这是我的身体,为你们舍的,你们也应当如此行,为的是记念我。
Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
饭后也照样拿起杯来,说:这杯是用我血所立的新约,是为你们流出来的。
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.
看哪!那卖我之人的手与我一同在桌子上。
Fa, indro, ny tànan'izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin'ny latabatra.
人子固然要照所预定的去世,但卖人子的人有祸了!
Fa ny Zanak'olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan'izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
他们就彼此对问,是那一个要做这事。
Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
门徒起了争论,他们中间那一个可算为大。
Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe.
耶稣说:外邦人有君王为主治理他们,那掌权管他们的称为恩主。
Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
但你们不可这样;你们里头为大的,倒要像年幼的;为首领的,倒要像服事人的。
Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
是谁为大?是坐席的呢?是服事人的呢?不是坐席的大吗?然而,我在你们中间如同服事人的。
Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
我在磨炼之中,常和我同在的就是你们。
Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko;
我将国赐给你们,正如我父赐给我一样,
koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy,
叫你们在我国里,坐在我的席上吃喝,并且坐在宝座上,审判以色列十二个支派。
mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo,
主又说:西门!西门!撒但想要得著你们,好筛你们像筛麦子一样;
Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
但我已经为你祈求,叫你不至于失了信心,你回头以后,要坚固你的弟兄。
Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
彼得说:主啊,我就是同你下监,同你受死,也是甘心!
Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza.
耶稣说:彼得,我告诉你,今日鸡还没有叫,你要三次说不认得我。
Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
耶稣又对他们说:我差你们出去的时候,没有钱囊,没有口袋,没有鞋,你们缺少什么没有?他们说:没有。
Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
耶稣说:但如今有钱囊的可以带著,有口袋的也可以带著,没有刀的要卖衣服买刀。
Fa hoy Izy taminy: Fa amin'izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
我告诉你们,经上写著说:他被列在罪犯之中。这话必应验在我身上;因为那关系我的事必然成就。
Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan'ny mpanota (Isa. 53. 12); fa efa ho tanteraka ny amiko.
他们说:主啊,请看!这里有两把刀。耶稣说:够了。
Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
耶稣出来,照常往橄榄山去,门徒也跟随他。
Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
到了那地方,就对他们说:你们要祷告,免得入了迷惑。
Ary raha vao tonga tao amin'izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
于是离开他们约有扔一块石头那么远,跪下祷告,
Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
说:父啊!你若愿意,就把这杯撤去;然而,不要成就我的意思,只要成就你的意思。
Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
有一位天使从天上显现,加添他的力量。
Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
耶稣极其伤痛,祷告更加恳切,汗珠如大血点滴在地上。
Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany.
祷告完了,就起来,到门徒那里,见他们因为忧愁都睡著了,
Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin'ny mpianatra ka nahita azy matorin'alahelo.
就对他们说:你们为什么睡觉呢?起来祷告,免得入了迷惑!
Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.
说话之间,来了许多人。那十二个门徒里名叫犹大的,走在前头,就近耶稣,要与他亲嘴。
Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an'i Jesosy hanoroka Azy.
耶稣对他说:犹大!你用亲嘴的暗号卖人子吗?
Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak'olona?
左右的人见光景不好,就说:主啊﹗我们拿刀砍可以不可以?
Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin'ny sabatra va izahay?
内中有一个人把大祭司的仆人砍了一刀,削掉了他的右耳。
Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
耶稣说:到了这个地步,由他们吧!就摸那人的耳朵,把他治好了。
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
耶稣对那些来拿他的祭司长和守殿官并长老说:你们带著刀棒出来拿我,如同拿强盗吗?
Ary hoy Jesosy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
我天天同你们在殿里,你们不下手拿我。现在却是你们的时候,黑暗掌权了。
Raha teo aminareo isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin'ny maizina.
他们拿住耶稣,把他带到大祭司的宅里。彼得远远的跟著。
Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
他们在院子里生了火,一同坐著;彼得也坐在他们中间。
Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
有一个使女看见彼得坐在火光里,就定睛看他,说:这个人素来也是同那人一伙的。
Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan'ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
彼得却不承认,说:女子,我不认得他。
Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
过了不多的时候,又有一个人看见他,说:你也是他们一党的。彼得说:你这个人!我不是。
Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
约过了一小时,又有一个人极力的说:他实在是同那人一伙的,因为他也是加利利人。
Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
彼得说:你这个人!我不晓得你说的是什么!正说话之间,鸡就叫了。
Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
主转过身来看彼得。彼得便想起主对他所说的话:今日鸡叫以先,你要三次不认我。
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an'i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin'ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
他就出去痛哭。
Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
看守耶稣的人戏弄他,打他,
Ary ny lehilahy izay nitana an'i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
又蒙著他的眼,问他说:你是先知,告诉我们打你的是谁?
Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
他们还用许多别的话辱骂他。
Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
天一亮,民间的众长老连祭司长带文士都聚会,把耶稣带到他们的公会里,
Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an'i Jesosy ho eo amin'ny Synedriona, dia nanao hoe:
说:你若是基督,就告诉我们。耶稣说:我若告诉你们,你们也不信;
Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
我若问你们,你们也不回答。
Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
从今以后,人子要坐在 神权能的右边。
Fa hatramin'izao ny Zanak'olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan'ny herin'Andriamanitra.
他们都说:这样,你是 神的儿子吗?耶稣说:你们所说的是。
Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
他们说:何必再用见证呢?他亲口所说的,我们都亲自听见了。
Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.