Luke 18

耶稣设一个比喻,是要人常常祷告,不可灰心。
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
说:某城里有一个官,不惧怕 神,也不尊重世人。
dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an'Andriamanitra, na mena-maso olona.
那城里有个寡妇,常到他那里,说:我有一个对头,求你给我伸冤。
Ary nisy mpitondratena tao amin'izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin'ilay manana ady amiko.
他多日不准。后来心里说:我虽不惧怕 神,也不尊重世人,
Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
只因这寡妇烦扰我,我就给她伸冤吧,免得她常来缠磨我!
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
主说:你们听这不义之官所说的话。
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain'ilay mpitsara tsy marina.
 神的选民昼夜呼籲他,他纵然为他们忍了多时,岂不终久给他们伸冤吗?
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary moa hitaredretra va Izy?
我告诉你们,要快快的给他们伸冤了。然而,人子来的时候,遇得见世上有信德吗?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana etỳ ambonin'ny tany va Izy?
耶稣向那些仗著自己是义人,藐视别人的,设一个比喻,
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
说:有两个人上殿里去祷告:一个是法利赛人,一个是税吏。
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
法利赛人站著,自言自语的祷告说: 神啊,我感谢你,我不像别人勒索、不义、奸淫,也不像这个税吏。
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
我一个礼拜禁食两次,凡我所得的都捐上十分之一。
Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho.
那税吏远远的站著,连举目望天也不敢,只捶著胸说: 神啊,开恩可怜我这个罪人!
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
我告诉你们,这人回家去比那人倒算为义了;因为,凡自高的,必降为卑;自卑的,必升为高。
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
有人抱著自己的婴孩来见耶稣,要他摸他们;门徒看见就责备那些人。
Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
耶稣却叫他们来,说:让小孩子到我这里来,不要禁止他们;因为在 神国的正是这样的人。
Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.
我实在告诉你们,凡要承受 神国的,若不像小孩子,断不能进去。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
有一个官问耶稣说:良善的夫子,我该做什么事才可以承受永生?
Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
耶稣对他说:你为什么称我是良善的?除了 神一位之外,再没有良善的。
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
诫命你是晓得的:不可奸淫;不可杀人;不可偷盗;不可作假见证;当孝敬父母。
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12-16).
那人说:这一切我从小都遵守了。
Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
耶稣听见了,就说:你还缺少一件:要变卖你一切所有的,分给穷人,就必有财宝在天上;你还要来跟从我。
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
他听见这话,就甚忧愁,因为他很富足。
Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
耶稣看见他,就说:有钱财的人进 神的国是何等的难哪!
Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
骆驼穿过针的眼比财主进 神的国还容易呢!
Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
听见的人说:这样,谁能得救呢?
Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
耶稣说:在人所不能的事,在 神却能。
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.
彼得说:看哪,我们已经撇下自己所有的跟从你了。
Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
耶稣说:我实在告诉你们,人为 神的国撇下房屋,或是妻子、弟兄、父母、儿女,
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,
没有在今世不得百倍,在来世不得永生的。
izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
耶稣带著十二个门徒,对他们说:看哪,我们上耶路撒冷去,先知所写的一切事都要成就在人子身上。
Ary Jesosy naka ny roa ambin'ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin'ny Zanak'olona.
他将要被交给外邦人,他们要戏弄他,凌辱他,吐唾沫在他脸上,
Fa hatolotra ho amin'ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
并要鞭打他,杀害他;第三日他要复活。
ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
这些事门徒一样也不懂得,意思乃是隐藏的;他们不晓得所说的是什么。
Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
耶稣将近耶利哥的时候,有一个瞎子坐在路旁讨饭。
Ary raha Jesosy nanakaiky an'i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
听见许多人经过,就问是什么事。
Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
他们告诉他,是拿撒勒人耶稣经过。
Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
他就呼叫说:大卫的子孙耶稣啊,可怜我吧!
Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
在前头走的人就责备他,不许他作声;他却越发喊叫说:大卫的子孙,可怜我吧!
Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.
耶稣站住,吩咐把他领过来,到了跟前,就问他说:
Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
你要我为你做什么?他说:主啊,我要能看见。
ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
耶稣说:你可以看见!你的信救了你了。
Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
瞎子立刻看见了,就跟随耶稣,一路归荣耀与 神。众人看见这事,也讚美 神。
Ary niaraka tamin'izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy izy sady nankalaza an'Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an'Andriamanitra.