Luke 17

耶稣又对门徒说:绊倒人的事是免不了的;但那绊倒人的有祸了。
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan'izay olona mahatonga izany!
就是把磨石拴在这人的颈项上,丢在海里,还强如他把这小子里的一个绊倒了。
Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.
你们要谨慎!若是你的弟兄得罪你,就劝戒他;他若懊悔,就饶恕他。
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
倘若他一天七次得罪你,又七次回转,说:我懊悔了,你总要饶恕他。
Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
使徒对主说:求主加增我们的信心。
Ary hoy ny Apostoly tamin'ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
主说:你们若有信心像一粒芥菜种,就是对这棵桑树说:你要拔起根来,栽在海里,它也必听从你们。
Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin'io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin'ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
你们谁有仆人耕地或是放羊,从田里回来,就对他说:你快来坐下吃饭呢?
Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
岂不对他说:你给我预备晚饭,束上带子伺候我,等我吃喝完了,你才可以吃喝吗?
Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
仆人照所吩咐的去做,主人还谢谢他吗?
Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
这样,你们做完了一切所吩咐的,只当说:我们是无用的仆人,所做的本是我们应分做的。
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
耶稣往耶路撒冷去,经过撒马利亚和加利利。
Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i Samaria sy Galilia.
进入一个村子,有十个长大痲疯的,迎面而来,远远的站著,
Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
高声说:耶稣,夫子,可怜我们吧!
Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
耶稣看见,就对他们说:你们去把身体给祭司察看。他们去的时候就洁净了。
Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
内中有一个见自己已经好了,就回来大声归荣耀与 神,
Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery
又俯伏在耶稣脚前感谢他;这人是撒马利亚人。
sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
耶稣说:洁净了的不是十个人吗?那九个在那里呢?
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
除了这外族人,再没有别人回来归荣耀与 神吗?
Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
就对那人说:起来,走吧!你的信救了你了。
Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
法利赛人问: 神的国几时来到?耶稣回答说: 神的国来到不是眼所能见的。
Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra.
人也不得说:看哪,在这里!看哪,在那里!因为 神的国就在你们心里(心里:或作中间)。
Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo.
他又对门徒说:日子将到,你们巴不得看见人子的一个日子,却不得看见。
Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo.
人将要对你们说:看哪,在那里!看哪,在这里!你们不要出去,也不要跟随他们!
Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
因为人子在他降临的日子,好像闪电从天这边一闪直照到天那边。
Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny,
只是他必须先受许多苦,又被这世代弃绝。
Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity.
挪亚的日子怎样,人子的日子也要怎样。
Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona:
那时候的人又吃又喝,又娶又嫁,到挪亚进方舟的那日,洪水就来,把他们全都灭了。
nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
又好像罗得的日子;人又吃又喝,又买又卖,又耕种又盖造。
Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
到罗得出所多玛的那日,就有火与硫磺从天上降下来,把他们全都灭了。
fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
人子显现的日子也要这样。
Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.
当那日,人在房上,器具在屋里,不要下来拿;人在田里,也不要回家。
Amin'izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin'izay efa nilaozany izy.
你们要回想罗得的妻子。
Tsarovy ny vadin'i Lota.
凡想要保全生命的,必丧掉生命;凡丧掉生命的,必救活生命。
Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
我对你们说,当那一夜,两个人在一个床上,要取去一个,撇下一个。
Lazaiko aminareo fa amin'izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
两个女人一同推磨;要取去一个,撇下一个。(有古卷在此有:
Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
两个人在田里,要取去一个,撇下一个。)
门徒说:主啊,在那里有这事呢?耶稣说:尸首在那里,鹰也必聚在那里。