Leviticus 3

「人献供物为平安祭(平安:或作酬恩;下同),若是从牛群中献,无论是公的是母的,必用没有残疾的献在耶和华面前。
Ary raha fanati-pihavanana no fanatiny, ka ombilahy na ombivavy no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan'i Jehovah.
他要按手在供物的头上,宰于会幕门口。亚伦子孙作祭司的,要把血洒在坛的周围。
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
从平安祭中,将火祭献给耶和华,也要把盖脏的脂油和脏上所有的脂油,
Dia hangalan'ny mpisorona ny fanati-pihavanana, ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
并两个腰子和腰子上的脂油,就是靠腰两旁的脂油,与肝上的网子和腰子,一概取下。
sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
亚伦的子孙要把这些烧在坛的燔祭上,就是在火的柴上,是献与耶和华为馨香的火祭。
Ary ireo zanak'i Arona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra dorana izay eo ambonin'ny kitay eo amin'ny afo; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
「人向耶和华献供物为平安祭,若是从羊群中献,无论是公的是母的,必用没有残疾的。
Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah, dia izay tsy misy kilema, na lahy na vavy, no hateriny.
若献一只羊羔为供物,必在耶和华面前献上,
Raha zanak'ondry no hateriny ho fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
并要按手在供物的头上,宰于会幕前。亚伦的子孙要把血洒在坛的周围。
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny fanatiny izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
从平安祭中,将火祭献给耶和华,其中的脂油和整肥尾巴都要在靠近脊骨处取下,并要把盖脏的脂油和脏上所有的脂油,
Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
两个腰子和腰子上的脂油,就是靠腰两旁的脂油,并肝上的网子和腰子,一概取下。
ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
祭司要在坛上焚烧,是献给耶和华为食物的火祭。
Ary ny mpisorona dia handoro izany ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
「人的供物若是山羊,必在耶和华面前献上。
Ary raha osy no fanatiny, dia hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah izy.
要按手在山羊头上,宰于会幕前。亚伦的子孙要把血洒在坛的周围,
Ary hametraka ny tànany amin'ny lohany izy, dia hamono azy eo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary ireo zanak'i Arona dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara.
又把盖脏的脂油和脏上所有的脂油,两个腰子和腰子上的脂油,就是靠腰两旁的脂油,并肝上的网子和腰子,一概取下,献给耶和华为火祭。
Ary avy aminy no hanaterany ny fanatiny atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy
与14节合并
ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, izay eo amin'ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin'ny voany no fanaisony izany.
祭司要在坛上焚烧,作为馨香火祭的食物。脂油都是耶和华的。
Ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; hanina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana izany; an'i Jehovah ny sabora rehetra.
在你们一切的住处,脂油和血都不可吃;这要成为你们世世代代永远的定例。」
Izao no ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby eny amin'izay rehetra itoeranareo: tsy hihinana sabora na rà akory ianareo.