Leviticus 24

耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「要吩咐以色列人,把那为点灯捣成的清橄榄油拿来给你,使灯常常点著。
Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
在会幕中法柜的幔子外,亚伦从晚上到早晨必在耶和华面前经理这灯。这要作你们世世代代永远的定例。
Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.
他要在耶和华面前常收拾精金灯台上的灯。」
Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
「你要取细面,烤成十二个饼,每饼用面伊法十分之二。
Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.
要把饼摆列两行(或作:摞;下同),每行六个,在耶和华面前精金的桌子上;
Ary mandahara ireo eo ambonin'ny latabatra tsara eo anatrehan'i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
又要把净乳香放在每行饼上,作为纪念,就是作为火祭献给耶和华。
Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin'ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
每安息日要常摆在耶和华面前;这为以色列人作永远的约。
Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah; ho avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
这饼是要给亚伦和他子孙的;他们要在圣处吃,为永远的定例,因为在献给耶和华的火祭中是至圣的。」
Ary ho an'i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin'izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an'ny mpisorona izany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo: lalàna mandrakizay izany.
有一个以色列妇人的儿子,他父亲是埃及人,一日闲游在以色列人中。这以色列妇人的儿子和一个以色列人在营里争斗。
Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
这以色列妇人的儿子亵渎了圣名,并且咒诅,就有人把他送到摩西那里。(他母亲名叫示罗密,是但支派底伯利的女儿。)
Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin'i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin'i Dibry avy tamin'ny firenen'i Dana izy);
他们把那人收在监里,要得耶和华所指示的话。
ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin'i Jehovah.
耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「把那咒诅圣名的人带到营外。叫听见的人都放手在他头上;全会众就要用石头打死他。
Avoahy ho eny ivelan'ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
你要晓谕以色列人说:凡咒诅 神的,必担当他的罪。
Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an'Andriamaniny dia ho meloka,
那亵渎耶和华名的,必被治死;全会众总要用石头打死他。不管是寄居的是本地人,他亵渎耶和华名的时候,必被治死。
Fa izay miteny ratsy ny anaran'i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
打死人的,必被治死;
Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
打死牲畜的,必赔上牲畜,以命偿命。
Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon'ny biby.
人若使他邻舍的身体有残疾,他怎样行,也要照样向他行:
Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
以伤还伤,以眼还眼,以牙还牙。他怎样叫人的身体有残疾,也要照样向他行。
tapaka solon'ny tapaka, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin'ny olona no hatao aminy kosa.
打死牲畜的,必赔上牲畜;打死人的,必被治死。
Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
不管是寄居的是本地人,同归一例。我是耶和华─你们的 神。」
Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
于是,摩西晓谕以色列人,他们就把那咒诅圣名的人带到营外,用石头打死。以色列人就照耶和华所吩咐摩西的行了。
Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, dia navoakany teny ivelan'ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.