Leviticus 2

「若有人献素祭为供物给耶和华,要用细面浇上油,加上乳香,
Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
带到亚伦子孙作祭司的那里;祭司就要从细面中取出一把来,并取些油和所有的乳香,然后要把所取的这些作为纪念,烧在坛上,是献与耶和华为馨香的火祭。
Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
素祭所剩的要归给亚伦和他的子孙;这是献与耶和华的火祭中为至圣的。
Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
「若用炉中烤的物为素祭,就要用调油的无酵细面饼,或是抹油的无酵薄饼。
Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
若用铁鏊上做的物为素祭,就要用调油的无酵细面,
Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
分成块子,浇上油;这是素祭。
Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
若用煎盘做的物为素祭,就要用油与细面作成。
Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
要把这些东西做的素祭带到耶和华面前,并奉给祭司,带到坛前。
Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.
祭司要从素祭中取出作为纪念的,烧在坛上,是献与耶和华为馨香的火祭。
Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
素祭所剩的要归给亚伦和他的子孙。这是献与耶和华的火祭中为至圣的。
Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
「凡献给耶和华的素祭都不可有酵;因为你们不可烧一点酵、一点蜜当作火祭献给耶和华。
Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
这些物要献给耶和华作为初熟的供物,只是不可在坛上献为馨香的祭。
fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
凡献为素祭的供物都要用盐调和,在素祭上不可缺了你 神立约的盐。一切的供物都要配盐而献。
Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
若向耶和华献初熟之物为素祭,要献上烘了的禾穗子,就是轧了的新穗子,当作初熟之物的素祭。
Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
并要抹上油,加上乳香;这是素祭。
Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.
祭司要把其中作为纪念的,就是一些轧了的禾穗子和一些油,并所有的乳香,都焚烧,是向耶和华献的火祭。」
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.