Leviticus 19

耶和华对摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
「你晓谕以色列全会众说:你们要圣洁,因为我耶和华─你们的 神是圣洁的。
Mitenena amin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
你们各人都当孝敬父母,也要守我的安息日。我是耶和华─你们的 神。
Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
你们不可偏向虚无的神,也不可为自己铸造神像。我是耶和华─你们的 神。
Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
「你们献平安祭给耶和华的时候,要献得可蒙悦纳。
Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah ianareo, dia ataovy amin'izay hankasitrahana anareo izany.
这祭物要在献的那一天和第二天吃,若有剩到第三天的,就必用火焚烧。
Amin'izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin'ny ampitson'ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin'ny afo izany.
第三天若再吃,这就为可憎恶的,必不蒙悦纳。
Ary raha hanina amin'ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
凡吃的人必担当他的罪孽;因为他亵渎了耶和华的圣物,那人必从民中剪除。
fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin'i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izany olona izany.
「在你们的地收割庄稼,不可割尽田角,也不可拾取所遗落的。
Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin'ny vokatrao.
不可摘尽葡萄园的果子,也不可拾取葡萄园所掉的果子;要留给穷人和寄居的。我是耶和华你─们的 神。
Ary aza otazana avokoa ny eo amin'ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin'ny sahanao; fa avelao ho an'ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
「你们不可偷盗,不可欺骗,也不可彼此说谎。
Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
不可指著我的名起假誓,亵渎你 神的名。我是耶和华。
Aza mianian-tsy tò amin'ny anarako, na manamavo ny anaran'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
「不可欺压你的邻舍,也不可抢夺他的物。雇工人的工价,不可在你那里过夜,留到早晨。
Aza manao an-keriny amin'ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman'izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
不可咒骂聋子,也不可将绊脚石放在瞎子面前,只要敬畏你的 神。我是耶和华。
Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan'ny jamba; fa matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
「你们施行审判,不可行不义;不可偏护穷人,也不可重看有势力的人,只要按著公义审判你的邻舍。
Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana; aza miandany foana amin'ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
不可在民中往来搬弄是非,也不可与邻舍为敌,置之于死(原文作流他的血)。我是耶和华。
Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah.
「不可心里恨你的弟兄;总要指摘你的邻舍,免得因他担罪。
Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
不可报仇,也不可埋怨你本国的子民,却要爱人如己。我是耶和华。
Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
「你们要守我的律例。不可叫你的牲畜与异类配合;不可用两样搀杂的种种你的地,也不可用两样搀杂的料做衣服穿在身上。
Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin'ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin'ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.
「婢女许配了丈夫,还没有被赎、得释放,人若与她行淫,二人要受刑罚,却不把他们治死,因为婢女还没有得自由。
Ary raha misy mandry amin'ny andevovavy izay voafofon'olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.
那人要把赎愆祭,就是一只公绵羊牵到会幕门口、耶和华面前。
Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
祭司要用赎愆祭的羊在耶和华面前赎他所犯的罪,他的罪就必蒙赦免。
ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
「你们到了迦南地,栽种各样结果子的树木,就要以所结的果子如未受割礼的一样。三年之久,你们要以这些果子,如未受割礼的,是不可吃的。
Ary raha tonga any amin'ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
但第四年所结的果子全要成为圣,用以讚美耶和华。
ary amin'ny taona fahefatra dia ho masina ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an'i Jehovah;
第五年,你们要吃那树上的果子,好叫树给你们结果子更多。我是耶和华─你们的 神。
fa amin'ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan'ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
「你们不可吃带血的物;不可用法术,也不可观兆。
Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro.
头的周围(周围或作:两鬓)不可剃,胡须的周围也不可损坏。
Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
不可为死人用刀划身,也不可在身上刺花纹。我是耶和华。
Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin'ny tenanareo: Izaho no Jehovah.
「不可辱没你的女儿,使她为娼妓,恐怕地上的人专向淫乱,地就满了大恶。
Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
你们要守我的安息日,敬我的圣所。我是耶和华。
Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.
「不可偏向那些交鬼的和行巫术的;不可求问他们,以致被他们玷污了。我是耶和华─你们的 神。
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin'ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
「在白发的人面前,你要站起来;也要尊敬老人,又要敬畏你的 神。我是耶和华。
Mitsangàna raha eo anatrehan'ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan'ny anti-panahy, ary matahora an'Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
「若有外人在你们国中和你同居,就不可欺负他。
Ary raha misy mivahiny aminao eo amin'ny taninareo, aza manao sarotra aminy.
和你们同居的外人,你们要看他如本地人一样,并要爱他如己,因为你们在埃及地也作过寄居的。我是耶和华─你们的 神。
Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
「你们施行审判,不可行不义;在尺、秤、升、斗上也是如此。
Aza manao izay tsy marina amin'ny fitsarana, na amin'ny fandrefesana, na amin'ny fandanjana, na amin'ny famarana.
要用公道天平、公道法码、公道升斗、公道秤。我是耶和华─你们的 神,曾把你们从埃及地领出来的。
Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
你们要谨守遵行我一切的律例典章。我是耶和华。」
Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.