Leviticus 16

亚伦的两个儿子近到耶和华面前死了。死了之后,耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak'i Arona, tamin'izy nanatona teo anatrehan'i Jehovah ka maty;
:「要告诉你哥哥亚伦,不可随时进圣所的幔子内、到柜上的施恩座前,免得他死亡,因为我要从云中显现在施恩座上。
dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin'ny fitoerana masina izy; dia ao anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin'ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin'ny rahona eo ambonin'ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
亚伦进圣所,要带一只公牛犊为赎罪祭,一只公绵羊为燔祭。
Ary izao no ho entin'i Arona, raha miditra ao amin'ny fitoerana masina izy: vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
要穿上细麻布圣内袍,把细麻布裤子穿在身上,腰束细麻布带子,头戴细麻布冠冕;这都是圣服。他要用水洗身,然后穿戴。
Akanjo lava masina rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masina ireo, ka handro amin'ny rano izy vao hiakanjo azy.
要从以色列会众取两只公山羊为赎罪祭,一只公绵羊为燔祭。
Ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
「亚伦要把赎罪祭的公牛奉上,为自己和本家赎罪;
Dia hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany izy.
也要把两只公山羊安置在会幕门口、耶和华面前,
Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan'i Jehovah, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
为那两只羊拈阄,一阄归与耶和华,一阄归与阿撒泻勒。
Dia hanaovan'i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an'i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an'i Azazela.
亚伦要把那拈阄归与耶和华的羊献为赎罪祭,
Ary hampanatonin'i Arona ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
但那拈阄归与阿撒泻勒的羊要活著安置在耶和华面前,用以赎罪,打发人送到旷野去,归与阿撒泻勒。
Fa ny osilahy izay niharan'ny filokana ho an'i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan'i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an'i Azazela.
「亚伦要把赎罪祭的公牛带来宰了,为自己和本家赎罪;
Ary hampanatonin'i Arona ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr'ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany.
拿香炉,从耶和华面前的坛上盛满火炭,又拿一捧捣细的香料,都带入幔子内,
Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba.
在耶和华面前,把香放在火上,使香的烟云遮掩法柜上的施恩座,免得他死亡;
Ary hataony eo amin'ny afo eo anatrehan'i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan'ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin'ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
也要取些公牛的血,用指头弹在施恩座的东面,又在施恩座的前面弹血七次。
Dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony.
「随后他要宰那为百姓作赎罪祭的公山羊,把羊的血带入幔子内,弹在施恩座的上面和前面,好像弹公牛的血一样。
Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny ran'ny vantotr'ombilahy ihany ka hafafiny eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
他因以色列人诸般的污秽、过犯,就是他们一切的罪愆,当这样在圣所行赎罪之礼,并因会幕在他们污秽之中,也要照样而行。
Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy noho ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an'ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan'ny fahalotoany.
他进圣所赎罪的时候,会幕里不可有人,直等到他为自己和本家并以色列全会众赎了罪出来。
Ary aza avela hisy olona ao amin'ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin'ny fitoerana masina Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny ankohonany ary ho an'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
他出来,要到耶和华面前的坛那里,在坛上行赎罪之礼,又要取些公牛的血和公山羊的血,抹在坛上四角的周围;
Dia hivoaka ho eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an'ny alitara; dia hangalany ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny ran'ny osilahy ka hatentiny amin'ny tandroky ny alitara eo amin'ny zorony efatra.
也要用指头把血弹在坛上七次,洁净了坛,从坛上除掉以色列人诸般的污秽,使坛成圣。」
Dia hofafazany ny rà impito amin'ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin'ny fahalotoan'ny Zanak'Isiraely.
「亚伦为圣所和会幕并坛献完了赎罪祭,就要把那只活著的公山羊奉上。
Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
两手按在羊头上,承认以色列人诸般的罪孽过犯,就是他们一切的罪愆,把这罪都归在羊的头上,借著所派之人的手,送到旷野去。
Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin'ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
要把这羊放在旷野,这羊要担当他们一切的罪孽,带到无人之地。
Ary ho entin'ny osilahy ho any an-efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
「亚伦要进会幕,把他进圣所时所穿的细麻布衣服脱下,放在那里,
Dia hiditra ao amin'ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin'ny fitoerana masina izy, ka hamela azy ao.
又要在圣处用水洗身,穿上衣服,出来,把自己的燔祭和百姓的燔祭献上,为自己和百姓赎罪。
Dia handro amin'ny rano eo amin'izay fitoerana masina izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an'ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an'ny olona ka hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ny olona.
赎罪祭牲的脂油要在坛上焚烧。
Ary ny saboran'ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara.
那放羊归与阿撒泻勒的人要洗衣服,用水洗身,然后进营。
Ary ilay mandefa ny osilahy ho an'i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
作赎罪祭的公牛和公山羊的血既带入圣所赎罪,这牛羊就要搬到营外,将皮、肉、粪用火焚烧。
Ary ny vantotr'ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin'ny fitoerana masina ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan'ny amin'ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
焚烧的人要洗衣服,用水洗身,然后进营。」
Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
「每逢七月初十日,你们要刻苦己心,无论是本地人,是寄居在你们中间的外人,什么工都不可做;这要作你们永远的定例。
Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
因在这日要为你们赎罪,使你们洁净。你们要在耶和华面前得以洁净,脱尽一切的罪愆。
Fa amin'izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin'ny fahotanareo rehetra eo anatrehan'i Jehovah ianareo
这日你们要守为圣安息日,要刻苦己心;这为永远的定例。
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
那受膏、接续他父亲承接圣职的祭司要穿上细麻布的圣衣,行赎罪之礼。
Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masina.
他要在至圣所和会幕与坛行赎罪之礼,并要为众祭司和会众的百姓赎罪。
Dia hanao fanavotana ho an'ny fitoerana masina izy sy ho an'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin'ny fiangonana.
这要作你们永远的定例─就是因以色列人一切的罪,要一年一次为他们赎罪。」于是,亚伦照耶和华所吩咐摩西的行了。
Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin'ny fahotany rehetra. Dia nataon'i Arona araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.