Leviticus 11

耶和华对摩西、亚伦说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
「你们晓谕以色列人说,在地上一切走兽中可吃的乃是这些:
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany:
凡蹄分两瓣、倒嚼的走兽,你们都可以吃。
Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
但那倒嚼或分蹄之中不可吃的乃是:骆驼─因为倒嚼不分蹄,就与你们不洁净;
Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
沙番─因为倒嚼不分蹄,就与你们不洁净;
ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
兔子─因为倒嚼不分蹄,就与你们不洁净;
ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
猪─因为蹄分两瓣,却不倒嚼,就与你们不洁净。
ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
这些兽的肉,你们不可吃;死的,你们不可摸,都与你们不洁净。
Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
水中可吃的乃是这些:凡在水里、海里、河里、有翅有鳞的,都可以吃。
Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;
凡在海里、河里,并一切水里游动的活物,无翅无鳞的,你们都当以为可憎。
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
这些无翅无鳞、以为可憎的,你们不可吃牠的肉;死的也当以为可憎。
eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
凡水里无翅无鳞的,你们都当以为可憎。
Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
「雀鸟中你们当以为可憎、不可吃的乃是:鵰、狗头鵰、红头鵰、
Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
鹞鹰、小鹰与其类;
ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
乌鸦与其类;
ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
鸵鸟、夜鹰、鱼鹰、鹰与其类;
ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
鸮鸟、鸬鶿、猫头鹰、
ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
角鸱、鹈鹕、秃鵰、
ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
鹳、鹭鸶与其类;戴鵀与蝙蝠。
sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
「凡有翅膀用四足爬行的物,你们都当以为可憎。
Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
只是有翅膀用四足爬行的物中,有足有腿,在地上蹦跳的,你们还可以吃。
nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.
其中有蝗虫、蚂蚱、蟋蟀与其类;蚱蜢与其类;这些你们都可以吃。
Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
但是有翅膀有四足的爬物,你们都当以为可憎。
Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
「这些都能使你们不洁净。凡摸了死的,必不洁净到晚上。
Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡拿了死的,必不洁净到晚上,并要洗衣服。
Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
凡走兽分蹄不成两瓣、也不倒嚼的,是与你们不洁净;凡摸了的就不洁净。
Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
凡四足的走兽,用掌行走的,是与你们不洁净;摸其尸的,必不洁净到晚上。
Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
拿其尸的,必不洁净到晚上,并要洗衣服。这些是与你们不洁净的。
Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
「地上爬物与你们不洁净的乃是这些:鼬鼠、鼫鼠、蜥蜴与其类;
Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
壁虎、龙子、守宫、蛇医、蝘蜓。
ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
这些爬物都是与你们不洁净的。在牠死了以后,凡摸了的,必不洁净到晚上。
Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
其中死了的,掉在什么东西上,这东西就不洁净,无论是木器、衣服、皮子、口袋,不拘是做什么工用的器皿,须要放在水中,必不洁净到晚上,到晚上才洁净了。
Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.
若有死了掉在瓦器里的,其中不拘有什么,就不洁净,你们要把这瓦器打破了。
Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
其中一切可吃的食物,沾水的就不洁净,并且那样器皿中一切可喝的,也必不洁净。
Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
其中已死的,若有一点掉在什么物件上,那物件就不洁净,不拘是炉子,是锅台,就要打碎,都不洁净,也必与你们不洁净。
Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
但是泉源或是聚水的池子仍是洁净;惟挨了那死的,就不洁净。
Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
若是死的,有一点掉在要种的子粒上,子粒仍是洁净;
Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
若水已经浇在子粒上,那死的有一点掉在上头,这子粒就与你们不洁净。
Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
「你们可吃的走兽若是死了,有人摸牠,必不洁净到晚上;
Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny.
有人吃那死了的走兽,必不洁净到晚上,并要洗衣服;拿了死走兽的,必不洁净到晚上,并要洗衣服。
Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro
「凡地上的爬物是可憎的,都不可吃。
Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
凡用肚子行走的和用四足行走的,或是有许多足的,就是一切爬在地上的,你们都不可吃,因为是可憎的。
Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
你们不可因什么爬物使自己成为可憎的,也不可因这些使自己不洁净,以致染了污秽。
Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
我是耶和华─你们的 神;所以你们要成为圣洁,因为我是圣洁的。你们也不可在地上的爬物污秽自己。
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.
我是把你们从埃及地领出来的耶和华,要作你们的 神;所以你们要圣洁,因为我是圣洁的。
Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.
这是走兽、飞鸟,和水中游动的活物,并地上爬物的条例。
Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,
要把洁净的和不洁净的,可吃的与不可吃的活物,都分别出来。
mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.