Leviticus 10

亚伦的儿子拿答、亚比户各拿自己的香炉,盛上火,加上香,在耶和华面前献上凡火,是耶和华没有吩咐他们的,
Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
就有火从耶和华面前出来,把他们烧灭,他们就死在耶和华面前。
Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan'i Jehovah izy.
于是摩西对亚伦说:「这就是耶和华所说:『我在亲近我的人中要显为圣;在众民面前,我要得荣耀。』」亚伦就默默不言。
Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
摩西召了亚伦叔父乌薛的儿子米沙利、以利撒反来,对他们说:「上前来,把你们的亲属从圣所前抬到营外。」
Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.
于是二人上前来,把他们穿著袍子抬到营外,是照摩西所吩咐的。
Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan'ny toby, araka izay efa nolazain'i Mosesy.
摩西对亚伦和他儿子以利亚撒、以他玛说:「不可蓬头散发,也不可撕裂衣裳,免得你们死亡,又免得耶和华向会众发怒;只要你们的弟兄以色列全家为耶和华所发的火哀哭。
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i Jehovah.
你们也不可出会幕的门,恐怕你们死亡,因为耶和华的膏油在你们的身上。」他们就照摩西的话行了。
Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
耶和华晓谕亚伦说:
Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
「你和你儿子进会幕的时候,清酒、浓酒都不可喝,免得你们死亡;这要作你们世世代代永远的定例。
Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
使你们可以将圣的、俗的,洁净的、不洁净的,分别出来;
ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
又使你们可以将耶和华借摩西晓谕以色列人的一切律例教训他们。」
ary mba hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah holazain'i Mosesy taminy.
摩西对亚伦和他剩下的儿子以利亚撒、以他玛说:「你们献给耶和华火祭中所剩的素祭,要在坛旁不带酵而吃,因为是至圣的。
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany.
你们要在圣处吃;因为在献给耶和华的火祭中,这是你的分和你儿子的分;所吩咐我的本是这样。
Ary hano eo amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
所摇的胸,所举的腿,你们要在洁净地方吃。你和你的儿女都要同吃;因为这些是从以色列人平安祭中给你,当你的分和你儿子的分。
Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
所举的腿,所摇的胸,他们要与火祭的脂油一同带来当摇祭,在耶和华面前摇一摇;这要归你和你儿子,当作永得的分,都是照耶和华所吩咐的。」
Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah.
当下摩西急切地寻找作赎罪祭的公山羊,谁知已经焚烧了,便向亚伦剩下的儿子以利亚撒、以他玛发怒,说:
Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
「这赎罪祭既是至圣的,主又给了你们,为要你们担当会众的罪孽,在耶和华面前为他们赎罪,你们为何没有在圣所吃呢?
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
看哪,这祭牲的血并没有拿到圣所里去,你们本当照我所吩咐的,在圣所里吃这祭肉。」
Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin'ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin'ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako.
亚伦对摩西说:「今天他们在耶和华面前献上赎罪祭和燔祭,我又遇见这样的灾,若今天吃了赎罪祭,耶和华岂能看为美呢?」
Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?
摩西听见这话,便以为美。
Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.