Lamentations 5

耶和华啊,求你记念我们所遭遇的事,观看我们所受的凌辱。
Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
我们的产业归与外邦人;我们的房屋归与外路人。
Ny lovanay dia afindra ho an'ny vahiny ary ny tranonay ho an'ny hafa firenena.
我们是无父的孤儿;我们的母亲好像寡妇。
Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
我们出钱才得水喝;我们的柴是人卖给我们的。
Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
追赶我们的,到了我们的颈项上;我们疲乏不得歇息。
Rambondrambonan'ny mpanenjika amin'ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
我们投降埃及人和亚述人,为要得粮吃饱。
Nanolo-tanana tamin'ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
我们列祖犯罪,而今不在了;我们担当他们的罪孽。
Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
奴仆辖制我们,无人救我们脱离他们的手。
Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin'ny tànany.
因为旷野的刀剑,我们冒著险才得粮食。
Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
因饥饿燥热,我们的皮肤就黑如炉。
Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin'ny mosary.
敌人在锡安玷污妇人,在犹大的城邑玷污处女。
Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin'ny tanànan'ny Joda.
他们吊起首领的手,也不尊敬老人的面。
Nahantona tamin'ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
少年人扛磨石,孩童背木柴,都绊跌了。
Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
老年人在城门口断绝;少年人不再作乐。
Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
我们心中的快乐止息,跳舞变为悲哀。
Ny hafalian'ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
冠冕从我们的头上落下;我们犯罪了,我们有祸了!
Efa afaka ny satro-boninahitra tamin'ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
这些事我们心里发昏,我们的眼睛昏花。
Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
锡安山荒凉,野狗(或译:狐狸)行在其上。
Noho ny amin'ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen'ny amboahaolo.
耶和华啊,你存到永远;你的宝座存到万代。
Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
你为何永远忘记我们?为何许久离弃我们?
Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?
耶和华啊,求你使我们向你回转,我们便得回转。求你复新我们的日子,像古时一样。
Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
你竟全然弃绝我们,向我们大发烈怒?
Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?