Judges 2

耶和华的使者从吉甲上到波金,对以色列人说:「我使你们从埃及上来,领你们到我向你们列祖起誓应许之地。我又说:『我永不废弃与你们所立的约。
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
你们也不可与这地的居民立约,要拆毁他们的祭坛。你们竟没有听从我的话!为何这样行呢?』
koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
因此我又说:『我必不将他们从你们面前赶出;他们必作你们肋下的荆棘。他们的 神必作你们的网罗。』」
Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
耶和华的使者向以色列众人说这话的时候,百姓就放声而哭。
Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
于是给那地方起名叫波金(就是哭的意思)。众人在那里向耶和华献祭。
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
从前约书亚打发以色列百姓去的时候,他们各归自己的地业,占据地土。
Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
约书亚在世和约书亚死后,那些见耶和华为以色列人所行大事的长老还在的时候,百姓都事奉耶和华。
Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
耶和华的仆人、嫩的儿子约书亚,正一百一十岁就死了。
Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
以色列人将他葬在他地业的境内,就是在以法莲山地的亭拿‧希烈,在迦实山的北边。
Dia nalevina tao anatin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
那世代的人也都归了自己的列祖。后来有别的世代兴起,不知道耶和华,也不知道耶和华为以色列人所行的事。
Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
以色列人行耶和华眼中看为恶的事,去事奉诸巴力,
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
离弃了领他们出埃及地的耶和华─他们列祖的 神,去叩拜别神,就是四围列国的神,惹耶和华发怒;
ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
并离弃耶和华,去事奉巴力和亚斯她录。
Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta.
耶和华的怒气向以色列人发作,就把他们交在抢夺他们的人手中,又将他们付与四围仇敌的手中,甚至他们在仇敌面前再不能站立得住。
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
他们无论往何处去,耶和华都以灾祸攻击他们,正如耶和华所说的话,又如耶和华向他们所起的誓;他们便极其困苦。
Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
耶和华兴起士师,士师就拯救他们脱离抢夺他们人的手。
Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
他们却不听从士师,竟随从叩拜别神,行了邪淫,速速地偏离他们列祖所行的道,不如他们列祖顺从耶和华的命令。
Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
耶和华为他们兴起士师,就与那士师同在。士师在世的一切日子,耶和华拯救他们脱离仇敌的手。他们因受欺压扰害,就哀声叹气,所以耶和华后悔了。
Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
及至士师死后,他们就转去行恶,比他们列祖更甚,去事奉叩拜别神,总不断绝顽梗的恶行。
Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.
于是耶和华的怒气向以色列人发作。他说:「因这民违背我吩咐他们列祖所守的约,不听从我的话,
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
所以约书亚死的时候所剩下的各族,我必不再从他们面前赶出,
dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
为要借此试验以色列人,看他们肯照他们列祖谨守遵行我的道不肯。」
mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
这样耶和华留下各族,不将他们速速赶出,也没有交付约书亚的手。
Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.