Judges 19

当以色列中没有王的时候,有住以法莲山地那边的一个利未人,娶了一个犹大伯利恒的女子为妾。
Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
妾行淫离开丈夫,回犹大的伯利恒,到了父家,在那里住了四个月。
Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
她丈夫起来,带著一个仆人、两匹驴去见她,用好话劝她回来。女子就引丈夫进入父家。她父见了那人,便欢欢喜喜地迎接。
Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
那人的岳父,就是女子的父亲,将那人留下住了三天。于是二人一同吃喝、住宿。
Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
到第四天,利未人清早起来要走,女子的父亲对女婿说:「请你吃点饭,加添心力,然后可以行路。」
Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
于是二人坐下一同吃喝。女子的父亲对那人说:「请你再住一夜,畅快你的心。」
Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
那人起来要走,他岳父强留他,他又住了一宿。
Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
到第五天,他清早起来要走,女子的父亲说:「请你吃点饭,加添心力,等到日头偏西再走。」于是二人一同吃饭。
Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
那人同他的妾和仆人起来要走,他岳父,就是女子的父亲,对他说:「看哪,日头偏西了,请你再住一夜;天快晚了,可以在这里住宿,畅快你的心。明天早早起行回家去。」
Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
那人不愿再住一夜,就备上那两匹驴,带著妾起身走了,来到耶布斯的对面(耶布斯就是耶路撒冷。)
Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
临近耶布斯的时候,日头快要落了,仆人对主人说:「我们不如进这耶布斯人的城里住宿。」
Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.
主人回答说:「我们不可进不是以色列人住的外邦城,不如过到基比亚去」;
Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
又对仆人说:「我们可以到一个地方,或住在基比亚,或住在拉玛。」
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
他们就往前走。将到便雅悯的基比亚,日头已经落了;
Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
他们进入基比亚要在那里住宿,就坐在城里的街上,因为无人接他们进家住宿。
Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
晚上,有一个老年人从田间做工回来。他原是以法莲山地的人,住在基比亚;那地方的人却是便雅悯人。
Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin'izany tanana izany dia Benjamita.
老年人举目看见客人坐在城里的街上,就问他说:「你从哪里来?要往哪里去?」
Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
他回答说:「我们从犹大的伯利恒来,要往以法莲山地那边去。我原是那里的人,到过犹大的伯利恒,现在我往耶和华的殿去,在这里无人接我进他的家。
Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
其实我有粮草可以餵驴,我与我的妾,并我的仆人,有饼有酒,并不缺少什么。」
kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
老年人说:「愿你平安!你所需用的我都给你,只是不可在街上过夜。」
Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
于是领他们到家里,餵上驴,他们就洗脚吃喝。
Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
他们心里正欢畅的时候,城中的匪徒围住房子,连连叩门,对房主老人说:「你把那进你家的人带出来,我们要与他交合。」
Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
那房主出来对他们说:「弟兄们哪,不要这样作恶;这人既然进了我的家,你们就不要行这丑事。
Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianareo.
我有个女儿,还是处女,并有这人的妾,我将她们领出来任凭你们玷辱她们,只是向这人不可行这样的丑事。」
Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
那些人却不听从他的话。那人就把他的妾拉出去交给他们,他们便与她交合,终夜凌辱她,直到天色快亮才放她去。
Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
天快亮的时候,妇人回到她主人住宿的房门前,就仆倒在地,直到天亮。
Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro.
早晨,她的主人起来开了房门,出去要行路,不料那妇人仆倒在房门前,两手搭在门槛上;
Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana.
就对妇人说:「起来,我们走吧!」妇人却不回答。那人便将她驮在驴上,起身回本处去了。
Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany.
到了家里,用刀将妾的尸身切成十二块,使人拿著传送以色列的四境。
Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.
凡看见的人都说:「从以色列人出埃及地,直到今日,这样的事没有行过,也没有见过。现在应当思想,大家商议当怎样办理。」
Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.