Judges 15

过了些日子,到割麦子的时候,参孙带著一只山羊羔去看他的妻,说:「我要进内室见我的妻。」他岳父不容他进去,
Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
说:「我估定你是极其恨她,因此我将她给了你的陪伴。她的妹子不是比她还美丽吗?你可以娶来代替她吧!」
fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.
参孙说:「这回我加害于非利士人不算有罪。」
Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
于是参孙去捉了三百只狐狸(或译:野狗),将狐狸尾巴一对一对地捆上,将火把捆在两条尾巴中间,
Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
点著火把,就放狐狸进入非利士人站著的禾稼,将堆集的禾捆和未割的禾稼,并橄榄园尽都烧了。
Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
非利士人说:「这事是谁做的呢?」有人说:「是亭拿人的女婿参孙,因为他岳父将他的妻给了他的陪伴。」于是非利士人上去,用火烧了妇人和她的父亲。
Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.
参孙对非利士人说:「你们既然这样行,我必向你们报仇才肯罢休。」
Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
参孙就大大击杀他们,连腿带腰都砍断了。他便下去,住在以坦磐的穴内。
Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.
非利士人上去安营在犹大,布散在利希。
Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
犹大人说:「你们为何上来攻击我们呢?」他们说:「我们上来是要捆绑参孙;他向我们怎样行,我们也要向他怎样行。」
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
于是有三千犹大人下到以坦磐的穴内,对参孙说:「非利士人辖制我们,你不知道么?你向我们行的是什么事呢?」他回答说:「他们向我怎样行,我也要向他们怎样行。」
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
犹大人对他说:「我们下来是要捆绑你,将你交在非利士人手中。」参孙说:「你们要向我起誓,应承你们自己不害死我。」
Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
他们说:「我们断不杀你,只要将你捆绑交在非利士人手中。」于是用两条新绳捆绑参孙,将他从以坦磐带上去。
Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
参孙到了利希,非利士人都迎著喧嚷。耶和华的灵大大感动参孙,他臂上的绳就像火烧的麻一样,他的绑绳都从他手上脱落下来。
Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
他见一块未干的驴腮骨,就伸手拾起来,用以击杀一千人。
Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
参孙说:我用驴腮骨杀人成堆,用驴腮骨杀了一千人。
Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
说完这话,就把那腮骨从手里抛出去了。那地便叫拉末‧利希。
Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.
参孙甚觉口渴,就求告耶和华说:「你既借仆人的手施行这么大的拯救,岂可任我渴死、落在未受割礼的人手中呢?」
Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
 神就使利希的洼处裂开,有水从其中涌出来。参孙喝了,精神复原;因此那泉名叫隐‧哈歌利,那泉直到今日还在利希。
Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
当非利士人辖制以色列人的时候,参孙作以色列的士师二十年。
Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.