Joshua 23

耶和华使以色列人安静,不与四围的一切仇敌争战,已经多日。约书亚年纪老迈,
Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
就把以色列众人的长老、族长、审判官,并官长都召了来,对他们说:「我年纪已经老迈。
dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
耶和华─你们的 神因你们的缘故向那些国所行的一切事,你们亲眼看见了,因那为你们争战的是耶和华─你们的 神。
ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
我所剪除和所剩下的各国,从约旦河起到日落之处的大海,我已经拈阄分给你们各支派为业。
Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.
耶和华─你们的 神必将他们从你们面前赶出去,使他们离开你们,你们就必得他们的地为业,正如耶和华─你们的 神所应许的。
Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
所以,你们要大大壮胆,谨守遵行写在摩西律法书上的一切话,不可偏离左右。
Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
不可与你们中间所剩下的这些国民搀杂。他们的 神,你们不可提他的名,不可指著他起誓,也不可事奉、叩拜;
mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
只要照著你们到今日所行的,专靠耶和华─你们的 神。
fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
因为耶和华已经把又大又强的国民从你们面前赶出;直到今日,没有一人在你们面前站立得住。
Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
你们一人必追赶千人,因耶和华─你们的 神照他所应许的,为你们争战。
Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
你们要分外谨慎,爱耶和华─你们的 神。
Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.
你们若稍微转去,与你们中间所剩下的这些国民联络,彼此结亲,互相往来,
Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
你们要确实知道,耶和华─你们的 神必不再将他们从你们眼前赶出;他们却要成为你们的网罗、机槛、肋上的鞭、眼中的刺,直到你们在耶和华─你们 神所赐的这美地上灭亡。
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
我现在要走世人必走的路。你们是一心一意的知道,耶和华─你们 神所应许赐福与你们的话没有一句落空,都应验在你们身上了。
Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
耶和华─你们 神所应许的一切福气怎样临到你们身上,耶和华也必照样使各样祸患临到你们身上,直到把你们从耶和华─你们 神所赐的这美地上除灭。
Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
你们若违背耶和华─你们 神吩咐你们所守的约,去事奉别神,叩拜他,耶和华的怒气必向你们发作,使你们在他所赐的美地上速速灭亡。」
Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.