Joshua 2

当下,嫩的儿子约书亚从什亭暗暗打发两个人作探子,吩咐说:「你们去窥探那地和耶利哥。」于是二人去了,来到一个妓女名叫喇合的家里,就在那里躺卧。
Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.
有人告诉耶利哥王说:「今夜有以色列人来到这里窥探此地。」
Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga atỳ izao alina izao hisafo ny tany.
耶利哥王打发人去见喇合说:「那来到你这里、进了你家的人要交出来,因为他们来窥探全地。」
Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.
女人将二人隐藏,就回答说:「那人果然到我这里来;他们是那里来的我却不知道。
Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;
天黑、要关城门的时候,他们出去了,往那里去我却不知道。你们快快的去追赶,就必追上。」
ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.
(先是女人领二人上了房顶,将他们藏在那里所摆的麻秸中。)
Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano.
那些人就往约旦河的渡口追赶他们去了。追赶他们的人一出去,城门就关了。
Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.
二人还没有躺卧,女人就上房顶,到他们那里,
Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampontrano ravehivavy
对他们说:「我知道耶和华已经把这地赐给你们,并且因你们的缘故我们都惊慌了。这地的一切居民在你们面前心都消化了;
ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.
因为我们听见你们出埃及的时候,耶和华怎样在你们前面使红海的水干了,并且你们怎样待约旦河东的两个亚摩利王西宏和噩,将他们尽行毁灭。
Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo.
我们一听见这些事,心就消化了。因你们的缘故,并无一人有胆气。耶和华─你们的 神本是上天下地的 神。
Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany.
现在我既是恩待你们,求你们指著耶和华向我起誓,也要恩待我父家,并给我一个实在的证据,
Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho
要救活我的父母、弟兄、姊妹,和一切属他们的,拯救我们性命不死。」
fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty ianareo.
二人对她说:「你若不洩漏我们这件事,我们情愿替你们死。耶和华将这地赐给我们的时候,我们必以慈爱诚实待你。」
Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.
于是女人用绳子将二人从窗户里缒下去;因她的房子是在城墙边上,她也住在城墙上。
Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny màndan'ny tanàna ny tranony, ary teo amin'ny manda no nitoerany.
她对他们说:「你们且往山上去,恐怕追赶的人碰见你们;要在那里隐藏三天,等追赶的人回来,然后才可以走你们的路。」
Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo.
二人对她说:「你要这样行。不然,你叫我们所起的誓就与我们无干了。
Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany:
我们来到这地的时候,你要把这条朱红线绳系在缒我们下去的窗户上,并要使你的父母、弟兄,和你父的全家都聚集在你家中。
Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;
凡出了你家门往街上去的,他的罪(原文是血)必归到自己的头上,与我们无干了。凡在你家里的,若有人下手害他,流他血的罪就归到我们的头上。
ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny ràny, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;
你若洩漏我们这件事,你叫我们所起的誓就与我们无干了。」
fa raha tàhiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay.
女人说:「照你们的话行吧!」于是打发他们去了,又把朱红线绳系在窗户上。
Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky.
二人到山上,在那里住了三天,等著追赶的人回去了。追赶的人一路找他们,却找不著。
Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita.
二人就下山回来,过了河,到嫩的儿子约书亚那里,向他述说所遭遇的一切事;
Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy,
又对约书亚说:「耶和华果然将那全地交在我们手中;那地的一切居民在我们面前心都消化了。」
ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.