Joshua 16

约瑟的子孙拈阄所得之地是从靠近耶利哥的约旦河起,以耶利哥东边的水为界:从耶利哥上去,通过山地的旷野,到伯特利;
Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,
又从伯特利到路斯,接连到亚基人的境界,至亚他绿;
dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,
又往西下到押利提人的境界,到下伯‧和崙的境界,直到基色,通到海为止。
dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
约瑟的儿子玛拿西、以法莲就得了他们的地业。
Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.
以法莲子孙的境界,按著宗族所得的,记在下面:他们地业的东界是亚他绿‧亚达到上伯‧和崙;
Ary ny amin'ny fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
往西通到北边的密米他,又向东绕到他纳‧示罗,又接连到雅挪哈的东边;
Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
从雅挪哈下到亚他绿,又到拿拉,达到耶利哥,通到约旦河为止;
dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
从他普亚往西,到加拿河,直通到海为止。这就是以法莲支派按著宗族所得的地业。
Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,
另外在玛拿西人地业中得了些城邑和属城的村庄。这都是分给以法莲子孙的。
mbamin'ny tanàna natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.
他们没有赶出住基色的迦南人;迦南人却住在以法莲人中间,成为作苦工的仆人,直到今日。
Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.