Joshua 13

约书亚年纪老迈,耶和华对他说:「你年纪老迈了,还有许多未得之地,
Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
就是非利士人的全境和基述人的全地。
Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
从埃及前的西曷河往北,直到以革伦的境界,就算属迦南人之地。有非利士人五个首领所管的迦萨人、亚实突人、亚实基伦人、迦特人、以革伦人之地,并有南方亚卫人之地。
hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
又有迦南人的全地,并属西顿人的米亚拉到亚弗,直到亚摩利人的境界。
any atsimo, dia ny tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita,
还有迦巴勒人之地,并向日出的全黎巴嫩,就是从黑门山根的巴力‧迦得,直到哈马口。
ary ny tanin'ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo ambodin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin'i Hamata,
山地的一切居民,从黎巴嫩直到米斯利弗‧玛音,就是所有的西顿人,我必在以色列人面前赶出他们去。你只管照我所吩咐的,将这地拈阄分给以色列人为业。
ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
现在你要把这地分给九个支派和玛拿西半个支派为业。」
Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i Manase.
玛拿西那半支派和流便、迦得二支派已经受了产业,就是耶和华的仆人摩西在约旦河东所赐给他们的:
Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy,
是从亚嫩谷边的亚罗珥和谷中的城,并米底巴的全平原,直到底本,
dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
和在希实本作王亚摩利王西宏的诸城,直到亚扪人的境界;
ary ny tanàna rehetra izay an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin'ny faritanin'ny taranak'i Amona,
又有基列地、基述人、玛迦人的地界,并黑门全山、巴珊全地,直到撒迦;
ary Gileada sy ny tanin'ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,
又有巴珊王噩的全国─他在亚斯他录和以得来作王(利乏音人所存留的只剩下他)。这些地的人都是摩西所击杀、所赶逐的。
dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
以色列人却没有赶逐基述人、玛迦人;这些人仍住在以色列中,直到今日。
Kanefa tsy mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
只是利未支派,摩西(原文作他)没有把产业分给他们。他们的产业乃是献与耶和华─以色列 神的火祭,正如耶和华所应许他们的。
Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
摩西按著流便支派的宗族分给他们产业。
Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony
他们的境界是亚嫩谷边的亚罗珥和谷中的城,靠近米底巴的全平原;
Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
希实本并属希实本平原的各城,底本、巴末‧巴力、伯‧巴力‧勉、
dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
雅杂、基底莫、米法押、
sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata
基列亭、西比玛、谷中山的细列‧哈沙辖、
sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
伯‧毗珥、毘斯迦山坡、伯‧耶西末;
sy Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota
平原的各城,并亚摩利王西宏的全国。这西宏曾在希实本作王,摩西把他和米甸的族长以未、利金、苏珥、户珥、利巴击杀了;这都是住那地属西宏为首领的。
ary ny tanàna rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany.
那时以色列人在所杀的人中,也用刀杀了比珥的儿子术士巴兰。
Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra niaraka tamin'izay novonoiny.
流便人的境界就是约旦河与靠近约旦河的地。以上是流便人按著宗族所得为业的诸城,并属城的村庄。
Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
摩西按著迦得支派的宗族分给他们产业。
Ary nomen'i Mosesy koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.
他们的境界是雅谢和基列的各城,并亚扪人的一半地,直到拉巴前的亚罗珥;
Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin'i Raba,
从希实本到拉抹‧米斯巴和比多宁,又从玛哈念到底璧的境界,
ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin'ny faritanin'i Debira;
并谷中的伯‧亚兰、伯‧宁拉、疏割、撒分,就是希实本王西宏国中的余地,以及约旦河与靠近约旦河的地,直到基尼烈海的极边,都在约旦河东。
ary teo amin'ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
以上是迦得人按著宗族所得为业的诸城,并属城的村庄。
Izany no lovan'ny taranak'i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
摩西把产业分给玛拿西半支派,是按著玛拿西半支派的宗族所分的。
Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase araka ny fokony:
他们的境界是从玛哈念起,包括巴珊全地,就是巴珊王噩的全国,并在巴珊、睚珥的一切城邑,共六十个。
Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
基列的一半,并亚斯他录、以得来,就是属巴珊王噩国的二城,是按著宗族给玛拿西的儿子玛吉的一半子孙。
Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.
以上是摩西在约旦河东对著耶利哥的摩押平原所分给他们的产业。
Ireo no voazaran'i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
只是利未支派,摩西没有把产业分给他们。耶和华─以色列的 神是他们的产业,正如耶和华所应许他们的。
Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.