Joshua 11

夏琐王耶宾听见这事,就打发人去见玛顿王约巴、伸崙王、押煞王,
Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
与北方山地、基尼烈南边的亚拉巴高原,并西边多珥山冈的诸王;
ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana,
又去见东方和西方的迦南人,与山地的亚摩利人、赫人、比利洗人、耶布斯人,并黑门山根米斯巴地的希未人。
dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
这些王和他们的众军都出来,人数多如海边的沙,并有许多马匹车辆。
Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
这诸王会合,来到米伦水边,一同安营,要与以色列人争战。
Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
耶和华对约书亚说:「你不要因他们惧怕。明日这时,我必将他们交付以色列人全然杀了。你要砍断他们马的蹄筋,用火焚烧他们的车辆。」
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
于是约书亚率领一切兵丁,在米伦水边突然向前攻打他们。
Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.
耶和华将他们交在以色列人手里,以色列人就击杀他们,追赶他们到西顿大城,到米斯利弗‧玛音,直到东边米斯巴的平原,将他们击杀,没有留下一个。
Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
约书亚就照耶和华所吩咐他的去行,砍断他们马的蹄筋,用火焚烧他们的车辆。
Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.
当时,约书亚转回夺了夏琐,用刀击杀夏琐王。(素来夏琐在这诸国中是为首的。)
Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
以色列人用刀击杀城中的人口,将他们尽行杀灭;凡有气息的没有留下一个。约书亚又用火焚烧夏琐。
Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.
约书亚夺了这些王的一切城邑,擒获其中的诸王,用刀击杀他们,将他们尽行杀灭,正如耶和华仆人摩西所吩咐的。
Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah.
至于造在山冈上的城,除了夏琐以外,以色列人都没有焚烧。约书亚只将夏琐焚烧了。
Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa.
那些城邑所有的财物和牲畜,以色列人都取为自己的掠物;惟有一切人口都用刀击杀,直到杀尽;凡有气息的没有留下一个。
Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
耶和华怎样吩咐他仆人摩西,摩西就照样吩咐约书亚,约书亚也照样行。凡耶和华所吩咐摩西的,约书亚没有一件懈怠不行的。
Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
约书亚夺了那全地,就是山地、一带南地、歌珊全地、高原、亚拉巴、以色列的山地,和山下的高原。
Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,
从上西珥的哈拉山,直到黑门山下黎巴嫩平原的巴力‧迦得,并且擒获那些地的诸王,将他们杀死。
hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
约书亚和这诸王争战了许多年日。
Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.
除了基遍的希未人之外,没有一城与以色列人讲和的,都是以色列人争战夺来的。
Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
因为耶和华的意思是要使他们心里刚硬,来与以色列人争战,好叫他们尽被杀灭,不蒙怜悯,正如耶和华所吩咐摩西的。
Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
当时约书亚来到,将住山地、希伯崙、底璧、亚拿伯、犹大山地、以色列山地所有的亚衲族人剪除了。约书亚将他们和他们的城邑尽都毁灭。
Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
在以色列人的地没有留下一个亚衲族人,只在迦萨、迦特,和亚实突有留下的。
Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
这样,约书亚照著耶和华所吩咐摩西的一切话夺了那全地,就按著以色列支派的宗族将地分给他们为业。于是国中太平,没有争战了。
Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.