Joshua 10

耶路撒冷王亚多尼洗德听见约书亚夺了艾城,尽行毁灭,怎样待耶利哥和耶利哥的王,也照样待艾城和艾城的王,又听见基遍的居民与以色列人立了和约,住在他们中间,
Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
就甚惧怕;因为基遍是一座大城,如都城一般,比艾城更大,并且城内的人都是勇士。
dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
所以耶路撒冷王亚多尼洗德打发人去见希伯崙王何咸、耶末王毘兰、拉吉王雅非亚,和伊矶伦王底璧,说:
Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:
「求你们上来帮助我,我们好攻打基遍,因为他们与约书亚和以色列人立了和约。」
Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.
于是五个亚摩利王,就是耶路撒冷王、希伯崙王、耶末王、拉吉王、伊矶伦王,大家聚集,率领他们的众军上去,对著基遍安营,攻打基遍。
Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka namely azy.
基遍人就打发人往吉甲的营中去见约书亚,说:「你不要袖手不顾你的仆人,求你速速上来拯救我们,帮助我们,因为住山地亚摩利人的诸王都聚集攻击我们。」
Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
于是约书亚和他一切兵丁,并大能的勇士,都从吉甲上去。
Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
耶和华对约书亚说:「不要怕他们;因为我已将他们交在你手里,他们无一人能在你面前站立得住。」
Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
约书亚就终夜从吉甲上去,猛然临到他们那里。
Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
耶和华使他们在以色列人面前溃乱。约书亚在基遍大大的杀败他们,追赶他们,在伯‧和崙的上坡路击杀他们,直到亚西加和玛基大。
Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
他们在以色列人面前逃跑,正在伯‧和崙下坡的时候,耶和华从天上降大冰雹在他们身上,(冰雹原文作石头)直降到亚西加,打死他们。被冰雹打死的,比以色列人用刀杀死的还多。
Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
当耶和华将亚摩利人交付以色列人的日子,约书亚就祷告耶和华,在以色列人眼前说:日头啊,你要停在基遍;月亮啊,你要止在亚雅崙谷。
Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.
于是日头停留,月亮止住,直等国民向敌人报仇。这事岂不是写在雅煞珥书上吗?日头在天当中停住,不急速下落,约有一日之久。
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
在这日以前,这日以后,耶和华听人的祷告,没有像这日的,是因耶和华为以色列争战。
Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.
约书亚和以色列众人回到吉甲的营中。
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
那五王逃跑,藏在玛基大洞里。
Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.
有人告诉约书亚说:「那五王已经找到了,都藏在玛基大洞里。」
Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
约书亚说:「你们把几块大石头滚到洞口,派人看守,
Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
你们却不可耽延,要追赶你们的仇敌,击杀他们尽后边的人,不容他们进自己的城邑,因为耶和华─你们的 神已经把他们交在你们手里。」
fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
约书亚和以色列人大大杀败他们,直到将他们灭尽;其中剩下的人都进了坚固的城。
Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda,
众百姓就安然回玛基大营中,到约书亚那里。没有一人敢向以色列人饶舌。
dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.
约书亚说:「打开洞口,将那五王从洞里带出来,领到我面前。」
Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
众人就这样行,将那五王,就是耶路撒冷王、希伯崙王、耶末王、拉吉王、伊矶伦王,从洞里带出来,领到约书亚面前。
Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
带出那五王到约书亚面前的时候,约书亚就召了以色列众人来,对那些和他同去的军长说:「你们近前来,把脚踏在这些王的颈项上。」他们就近前来,把脚踏在这些王的颈项上。
Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
约书亚对他们说:「你们不要惧怕,也不要惊惶。应当刚强壮胆,因为耶和华必这样待你们所要攻打的一切仇敌。」
Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
随后约书亚将这五王杀死,挂在五棵树上。他们就在树上直挂到晚上。
Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
日头要落的时候,约书亚一吩咐,人就把尸首从树上取下来,丢在他们藏过的洞里,把几块大石头放在洞口,直存到今日。
Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
当日,约书亚夺了玛基大,用刀击杀城中的人和王;将其中一切人口尽行杀灭,没有留下一个。他待玛基大王,像从前待耶利哥王一样。
Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.
约书亚和以色列众人从玛基大往立拿去,攻打立拿。
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
耶和华将立拿和立拿的王也交在以色列人手里。约书亚攻打这城,用刀击杀了城中的一切人口,没有留下一个。他待立拿王,像从前待耶利哥王一样。
dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.
约书亚和以色列众人从立拿往拉吉去,对著拉吉安营,攻打这城。
Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
耶和华将拉吉交在以色列人的手里。第二天约书亚就夺了拉吉,用刀击杀了城中的一切人口,是照他向立拿一切所行的。
Dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.
那时基色王荷兰上来帮助拉吉,约书亚就把他和他的民都击杀了,没有留下一个。
Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
约书亚和以色列众人从拉吉往伊矶伦去,对著伊矶伦安营,攻打这城。
Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
当日就夺了城,用刀击杀了城中的人。那日,约书亚将城中的一切人口尽行杀灭,是照他向拉吉一切所行的。
dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.
约书亚和以色列众人从伊矶伦上希伯崙去,攻打这城,
Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
就夺了希伯崙和属希伯崙的诸城邑,用刀将城中的人与王,并那些城邑中的人口,都击杀了,没有留下一个,是照他向伊矶伦所行的,把城中的一切人口尽行杀灭。
dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
约书亚和以色列众人回到底璧,攻打这城,
Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
就夺了底璧和属底璧的城邑,又擒获底璧的王,用刀将这些城中的人口尽行杀灭,没有留下一个。他待底璧和底璧王,像从前待希伯崙和立拿与立拿王一样。
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.
这样,约书亚击杀全地的人,就是山地、南地、高原、山坡的人,和那些地的诸王,没有留下一个。将凡有气息的尽行杀灭,正如耶和华─以色列的 神所吩咐的。
Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
约书亚从加低斯‧巴尼亚攻击到迦萨,又攻击歌珊全地,直到基遍。
Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
约书亚一时杀败了这些王,并夺了他们的地,因为耶和华─以色列的 神为以色列争战。
Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.
于是约书亚和以色列众人回到吉甲的营中。
Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.