John 7

这事以后,耶稣在加利利游行,不愿在犹太游行,因为犹太人想要杀他。
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
当时犹太人的住棚节近了。
Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely,
耶稣的弟兄就对他说:你离开这里上犹太去吧,叫你的门徒也看见你所行的事。
ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
人要显扬名声,没有在暗处行事的;你如果行这些事,就当将自己显明给世人看。
fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.
因为连他的弟兄说这话,是因为不信他。
Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
耶稣就对他们说:我的时候还没有到;你们的时候常是方便的。
Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
世人不能恨你们,却是恨我,因为我指证他们所做的事是恶的。
Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
你们上去过节吧,我现在不上去过这节,因为我的时候还没有满。
Miakara ho amin'ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin'ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
耶稣说了这话,仍旧住在加利利。
Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
但他弟兄上去以后,他也上去过节,不是明去,似乎是暗去的。
Fa rehefa lasa niakatra ho amin'ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
正在节期,犹太人寻找耶稣,说:他在那里?
Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin'ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
众人为他纷纷议论,有的说:他是好人。有的说:不然,他是迷惑众人的。
Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
只是没有人明明的讲论他,因为怕犹太人。
Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
到了节期,耶稣上殿里去教训人。
Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
犹太人就希奇,说:这个人没有学过,怎么明白书呢?
Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan'ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
耶稣说:我的教训不是我自己的,乃是那差我来者的。
Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
人若立志遵著他的旨意行,就必晓得这教训或是出于 神,或是我凭著自己说的。
Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
人凭著自己说,是求自己的荣耀;惟有求那差他来者的荣耀,这人是真的,在他心里没有不义。
Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
摩西岂不是传律法给你们么?你们却没有一个人守律法。为什么想要杀我呢?
Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
众人回答说:你是被鬼附著了!谁想要杀你?
Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
耶稣说:我做了一件事,你们都以为希奇。
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
摩西传割礼给你们(其实不是从摩西起的,乃是从祖先起的),因此你们也在安息日给人行割礼。
Izao no nanomezan'i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin'i Mosesy, fa noho izy avy tamin'ny razana, ka na dia amin'ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
人若在安息日受割礼,免得违背摩西的律法,我在安息日叫一个人全然好了,你们就向我生气吗?
Raha amin'ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn'i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin'ny Sabata.
不可按外貌断定是非,总要按公平断定是非。
Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
耶路撒冷人中有的说:这不是他们想要杀的人吗?
Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
你看他还明明的讲道,他们也不向他说什么,难道官长真知道这是基督么?
Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
然而,我们知道这个人从那里来;只是基督来的时候,没有人知道他从那里来。
Nefa fantatsika izay nihavian'ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
那时,耶稣在殿里教训人,大声说:你们也知道我,也知道我从那里来;我来并不是由于自己。但那差我来的是真的。你们不认识他,
Dia niantso teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
我却认识他;因为我是从他来的,他也是差了我来。
Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
他们就想要捉拿耶稣;只是没有人下手,因为他的时候还没有到。
Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
但众人中间有好些信他的,说:基督来的时候,他所行的神迹岂能比这人所行的更多吗?
Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon'ity Lehilahy ity va Izy?
法利赛人听见众人为耶稣这样纷纷议论,祭司长和法利赛人就打发差役去捉拿他。
Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
于是耶稣说:我还有不多的时候和你们同在,以后就回到差我来的那里去。
Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin'izay naniraka Ahy Aho.
你们要找我,却找不著;我所在的地方你们不能到。
Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
犹太人就彼此对问说:这人要往那里去,叫我们找不著呢?难道他要往散住希腊中的犹太人那里去教训希腊人吗?
Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan'ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin'izay miely any amin'ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
他说:你们要找我,却找不著;我所在的地方,你们不能到,这话是什么意思呢?
Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
节期的末日,就是最大之日,耶稣站著高声说:人若渴了,可以到我这里来喝。
Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
信我的人就如经上所说:从他腹中要流出活水的江河来。
Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
耶稣这话是指著信他之人要受圣灵说的。那时还没有赐下圣灵来,因为耶稣尚未得著荣耀。
Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny.
众人听见这话,有的说:这真是那先知。
Ary ny sasany tamin'ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
有的说:这是基督。但也有的说:基督岂是从加利利出来的吗?
Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian'i Kristy?
经上岂不是说基督是大卫的后裔,从大卫本乡伯利恒出来的吗?
Tsy voalazan'ny Soratra Masina va fa Kristy dia avy amin'ny taranak'i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan'i Davida (Mik. 5. 1)?
于是众人因著耶稣起了纷争。
Dia nisara-tsaina ny amin'i Jesosy ny vahoaka.
其中有人要捉拿他,只是无人下手。
Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
差役回到祭司长和法利赛人那里。他们对差役说;你们为什么没有带他来呢?
Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
差役回答说:从来没有像他这样说话的!
Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
法利赛人说:你们也受了迷惑吗?
Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
官长或是法利赛人岂有信他的呢?
Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
但这些不明白律法的百姓是被咒诅的!
Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
内中有尼哥底母,就是从前去见耶稣的,对他们说:
Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
不先听本人的口供,不知道他所做的事,难道我们的律法还定他的罪吗?
Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
他们回答说:你也是出于加利利吗?你且去查考,就可知道加利利没有出过先知。
Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
[Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;]