John 6

这事以后,耶稣渡过加利利海,就是提比里亚海。
Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin'i Galilia, dia ny Ranomasin'i Tiberiasy izany.
有许多人因为看见他在病人身上所行的神迹,就跟随他。
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin'ny marary.
耶稣上了山,和门徒一同坐在那里。
Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin'ny mpianany.
那时犹太人的逾越节近了。
Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan'ny Jiosy.
耶稣举目看见许多人来,就对腓力说:我们从那里买饼叫这些人吃呢?
Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin'i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo?
他说这话是要试验腓力;他自己原知道要怎样行。
Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
腓力回答说:就是二十两银子的饼,叫他们各人吃一点也是不够的。
Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
有一个门徒,就是西门彼得的兄弟安得烈,对耶稣说:
Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
在这里有一个孩童,带著五个大麦饼、两条鱼,只是分给这许多人还算什么呢?
Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin'izao olona betsaka izao?
耶稣说:你们叫众人坐下。原来那地方的草多,众人就坐下,数目约有五千。
Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
耶稣拿起饼来,祝谢了,就分给那坐著的人;分鱼也是这样,都随著他们所要的。
Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
他们吃饱了,耶稣对门徒说:把剩下的零碎收拾起来,免得有糟蹋的。
Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
他们便将那五个大麦饼的零碎,就是众人吃了剩下的,收拾起来,装满了十二个篮子。
Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.
众人看见耶稣所行的神迹,就说:这真是那要到世间来的先知!
Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.
耶稣既知道众人要来强逼他作王,就独自又退到山上去了。
Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..
到了晚上,他的门徒下海边去,
Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.
上了船,要过海往迦百农去。天已经黑了,耶稣还没有来到他们那里。
Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
忽然狂风大作,海就翻腾起来。
Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.
门徒摇橹,约行了十里多路,看见耶稣在海面上走,渐渐近了船,他们就害怕。
Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
耶稣对他们说:是我,不要怕!
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
门徒就喜欢接他上船,船立时到了他们所要去的地方。
Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.
第二日,站在海那边的众人知道那里没有别的船,只有一只小船,又知道耶稣没有同他的门徒上船,乃是门徒自己去的。
Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
然而,有几只小船从提比里亚来,靠近主祝谢后分饼给人吃的地方。
kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-
众人见耶稣和门徒都不在那里,就上了船,往迦百农去找耶稣。
koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.
既在海那边找著了,就对他说:拉比,是几时到这里来的?
Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
耶稣回答说:我实实在在的告诉你们,你们找我,并不是因见了神迹,乃是因吃饼得饱。
Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
不要为那必坏的食物劳力,要为那存到永生的食物劳力,就是人子要赐给你们的,因为人子是父 神所印证的。
Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase.
众人问他说:我们当行什么,才算做 神的工呢?
Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?
耶稣回答说:信 神所差来的,这就是做 神的工。
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
他们又说:你行什么神迹,叫我们看见就信你;你到底做什么事呢?
Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
我们的祖宗在旷野吃过吗哪,如经上写著说:他从天上赐下粮来给他们吃。
Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny (Sal. 78. 24).
耶稣说:我实实在在的告诉你们,那从天上来的粮不是摩西赐给你们的,乃是我父将天上来的真粮赐给你们。
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
因为 神的粮就是那从天上降下来、赐生命给世界的。
Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao.
他们说:主啊,常将这粮赐给我们!
Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
耶稣说:我就是生命的粮。到我这里来的,必定不饿;信我的,永远不渴。
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
只是我对你们说过,你们已经看见我,还是不信。
Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
凡父所赐给我的人必到我这里来;到我这里来的,我总不丢弃他。
Izay rehetra omen'ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
因为我从天上降下来,不是要按自己的意思行,乃是要按那差我来者的意思行。
Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy.
差我来者的意思就是:他所赐给我的,叫我一个也不失落,在末日却叫他复活。
Ary izao no sitrapon'izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
因为我父的意思是叫一切见子而信的人得永生,并且在末日我要叫他复活。
Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
犹太人因为耶稣说我是从天上降下来的粮,就私下议论他,
Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
说:这不是约瑟的儿子耶稣么?他的父母我们岂不认得么?他如今怎么说我是从天上降下来的呢?
Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
耶稣回答说:你们不要大家议论。
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
若不是差我来的父吸引人,就没有能到我这里来的;到我这里来的,在末日我要叫他复活。
Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
在先知书上写著说:他们都要蒙 神的教训。凡听见父之教训又学习的,就到我这里来。
Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
这不是说有人看见过父;惟独从 神来的,他看见过父。
Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
我实实在在的告诉你们,信的人有永生。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
我就是生命的粮。
Izaho no mofon'aina.
你们的祖宗在旷野吃过吗哪,还是死了。
Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
这是从天上降下来的粮,叫人吃了就不死。
Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
我是从天上降下来生命的粮;人若吃这粮,就必永远活著。我所要赐的粮就是我的肉,为世人之生命所赐的。
Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
因此,犹太人彼此争论说:这个人怎能把他的肉给我们吃呢?
Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
耶稣说:我实实在在的告诉你们,你们若不吃人子的肉,不喝人子的血,就没有生命在你们里面。
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
吃我肉、喝我血的人就有永生,在末日我要叫他复活。
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
我的肉真是可吃的,我的血真是可喝的。
Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
吃我肉、喝我血的人常在我里面,我也常在他里面。
Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
永活的父怎样差我来,我又因父活著;照样,吃我肉的人也要因我活著。
Ary tahaka ny nanirahan'ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin'ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
这就是从天上降下来的粮。吃这粮的人就永远活著,不像你们的祖宗吃过吗哪还是死了。
Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.
这些话是耶稣在迦百农会堂里教训人说的。
Izany teny izany no nolazainy tao amin'ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
他的门徒中有好些人听见了,就说:这话甚难,谁能听呢?
Koa maro tamin'ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
耶稣心里知道门徒为这话议论,就对他们说:这话是叫你们厌弃(原文是跌倒)吗?
Ary fantatr'i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin'izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
倘或你们看见人子升到他原来所在之处,怎么样呢?
Mainka raha mahita ny Zanak'olona miakatra ho any amin'izay nitoerany taloha ianareo.
叫人活著的乃是灵,肉体是无益的。我对你们所说的话就是灵,就是生命。
Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
只是你们中间有不信的人。耶稣从起头就知道谁不信他,谁要卖他。
Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr'i Jesosy hatramin'ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
耶稣又说:所以我对你们说过,若不是蒙我父的恩赐,没有人能到我这里来。
Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany.
从此,他门徒中多有退去的,不再和他同行。
Hatramin'izany dia maro tamin'ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
耶稣就对那十二个门徒说:你们也要去吗?
Dia hoy Jesosy tamin'ny roa ambin'ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
西门彼得回答说:主啊,你有永生之道,我们还归从谁呢?
Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay.
我们已经信了,又知道你是 神的圣者。
Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin'Andriamanitra.
耶稣说:我不是拣选了你们十二个门徒吗?但你们中间有一个是魔鬼。
Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin'ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
耶稣这话是指著加略人西门的儿子犹大说的;他本是十二个门徒里的一个,后来要卖耶稣的。
Fa Izy nilaza an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan'ny roa ambin'ny folo lahy.