John 4

主知道法利赛人听见他收门徒,施洗,比约翰还多,
Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
(其实不是耶稣亲自施洗,乃是他的门徒施洗,)
(kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
他就离了犹太,又往加利利去。
dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
必须经过撒马利亚,
Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
于是到了撒马利亚的一座城,名叫叙加,靠近雅各给他儿子约瑟的那块地。
Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.
在那里有雅各井;耶稣因走路困乏,就坐在井旁。那时约有午正。
Ary teo ilay fantsakan'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
有一个撒马利亚的妇人来打水。耶稣对她说:「请你给我水喝。」
Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
(那时门徒进城买食物去了。〉
(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
撒马利亚的妇人对他说:「你既是犹太人,怎么向我一个撒马利亚妇人要水喝呢?」原来犹太人和撒马利亚人没有来往。
Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)
耶稣回答说:「你若知道 神的恩赐,和对你说『给我水喝』的是谁,你必早求他,他也必早给了你活水。」
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
妇人说:「先生,没有打水的器具,井又深,你从那里得活水呢?
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
我们的祖宗雅各将这井留给我们,他自己和儿子并牲畜也都喝这井里的水,难道你比他还大吗?」
Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto?
耶稣回答说:凡喝这水的还要再渴;
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
人若喝我所赐的水就永远不渴。我所赐的水要在他里头成为泉源,直涌到永生。」
fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
妇人说:「先生,请把这水赐给我,叫我不渴,也不用来这么远打水。」
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
耶稣说:「你去叫你丈夫也到这里来。」
Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ .
妇人说:「我没有丈夫。」耶稣说:「你说没有丈夫是不错的。
Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
你已经有五个丈夫,你现在有的并不是你的丈夫。你这话是真的。」
fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
妇人说:「先生,我看出你是先知。
Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
我们的祖宗在这山上礼拜,你们倒说,应当礼拜的地方是在耶路撒冷。」
Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
耶稣说:「妇人,你当信我。时候将到,你们拜父,也不在这山上,也不在耶路撒冷。
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
你们所拜的,你们不知道;我们所拜的,我们知道,因为救恩是从犹太人出来的。
Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.
时候将到,如今就是了,那真正拜父的,要用心灵和诚实拜他,因为父要这样的人拜他。
Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
 神是个灵(或无个字),所以拜他的必须用心灵和诚实拜他。」
Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
妇人说:「我知道弥赛亚(就是那称为基督的)要来;他来了,必将一切的事都告诉我们。」
Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
耶稣说:「这和你说话的就是他!」
Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
当下门徒回来,就希奇耶稣和一个妇人说话;只是没有人说:「你是要什么?」或说:「你为什么和她说话?」
Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao?
那妇人就留下水罐子,往城里去,对众人说:
Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe:
「你们来看!有一个人将我素来所行的一切事都给我说出来了,莫非这就是基督吗?」
Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy?
众人就出城,往耶稣那里去。
Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.
这其间,门徒对耶稣说:「拉比,请吃。」
Ary raha tsy mbola tonga izy ireny, ny mpianany dia nangataka taminy ka nanao hoe: Hano, Raby ô.
耶稣说:「我有食物吃,是你们不知道的。」
Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.
门徒就彼此对问说:「莫非有人拿什么给他吃吗?」
Dia niresaka ny mpianatra ka nanao hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?
耶稣说:「我的食物就是遵行差我来者的旨意,做成他的工。
Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
你们岂不说『到收割的时候还有四个月』吗?我告诉你们,举目向田观看,庄稼已经熟了(原文是发白),可以收割了。
Moa ianareo tsy manao hoe va: Efa-bolana no sisa, dia tonga ny fararano? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.
收割的人得工价,积蓄五谷到永生,叫撒种的和收割的一同快乐。
Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
俗语说:『那人撒种,这人收割』,这话可见是真的。
Ary amin'izany dia marina ilay teny hoe: Ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja,
我差你们去收你们所没有劳苦的;别人劳苦,你们享受他们所劳苦的。」
Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin'izay nisasarany.
那城里有好些撒马利亚人信了耶稣,因为那妇人作见证说:「他将我素来所行的一切事都给我说出来了。」
Ary maro ny Samaritana avy tao amin'izany tanàna izany no nino an'i Jesosy noho ny filazan-dravehivavy, izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
于是撒马利亚人来见耶稣,求他在他们那里住下,他便在那里住了两天。
Ary rehefa nanatona Azy ny Samaritana, dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; ka dia nitoetra tao indroa andro Izy.
因耶稣的话,信的人就更多了,
Ary maro koa no nino noho ny teniny
便对妇人说:「现在我们信,不是因为你的话,是我们亲自听见了,知道这真是救世主。」
ka nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
过了那两天,耶稣离了那地方,往加利利去。
Ary rehefa afaka ny indroa andro, dia niala tao Jesosy ka nankany Galilia.
因为耶稣自己作过见证说:「先知在本地是没有人尊敬的。」
Fa ny tenan'i Jesosy no efa nanambara fa tsy misy mpaminany manan-daza eo amin'ny taniny.
到了加利利,加利利人既然看见他在耶路撒冷过节所行的一切事,就接待他,因为他们也是上去过节。
Koa rehefa tonga tany Galilia Izy, dia nandray Azy ny Galiliana, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin'ny andro firavoravoana; fa izy ireo koa mba niakatra tamin'ny andro firavoravoana.
耶稣又到了加利利的迦拿,就是他从前变水为酒的地方。有一个大臣,他的儿子在迦百农患病。
Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.
他听见耶稣从犹太到了加利利,就来见他,求他下去医治他的儿子,因为他儿子快要死了。
Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.
耶稣就对他说:「若不看见神迹奇事,你们总是不信。」
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.
那大臣说:「先生,求你趁著我的孩子还没有死就下去。」
Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.
耶稣对他说:「回去吧,你的儿子活了!」那人信耶稣所说的话就回去了。
Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.
正下去的时候,他的仆人迎见他,说他的儿子活了。
Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.
他就问什么时候见好的。他们说:「昨日未时热就退了。」
Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy.
他便知道这正是耶稣对他说「你儿子活了」的时候;他自己和全家就都信了。
Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra.
这是耶稣在加利利行的第二件神迹,是他从犹太回去以后行的。
Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.