John 21

这些事以后,耶稣在提比里亚海边又向门徒显现。他怎样显现记在下面:
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy teo amoron'ny Ranomasin'i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
有西门彼得和称为低土马的多马,并加利利的迦拿人拿但业,还有西庇太的两个儿子,又有两个门徒,都在一处。
Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak'i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
西门彼得对他们说:我打鱼去。他们说:我们也和你同去。他们就出去,上了船;那一夜并没有打著什么。
Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
天将亮的时候,耶稣站在岸上,门徒却不知道是耶稣。
Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
耶稣就对他们说:小子!你们有吃的没有?他们回答说:没有。
Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
耶稣说:你们把网撒在船的右边,就必得著。他们便撒下网去,竟拉不上来了,因为鱼甚多。
Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin'ny sisiny ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano.
耶稣所爱的那门徒对彼得说:是主!那时西门彼得赤著身子,一听见是主,就束上一件外衣,跳在海里。
Ary hoy ny mpianatra izay tian'i Jesosy tamin'i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren'i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin'ny ranomasina izy.
其余的门徒离岸不远,约有二百肘(古代以肘为尺,一肘约有今时尺半),就在小船上把那网鱼拉过来。
Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
他们上了岸,就看见那里有炭火,上面有鱼,又有饼。
Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon'arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
耶稣对他们说:把刚才打的鱼拿几条来。
Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin'ireo vao azonareo teo.
西门彼得就去(或作:上船),把网拉到岸上。那网满了大鱼,共一百五十三条;鱼虽这样多,网却没有破。
Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
耶稣说:你们来吃早饭。门徒中没有一个敢问他:你是谁?因为知道是主。
Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
耶稣就来拿饼和鱼给他们。
Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
耶稣从死里复活以后,向门徒显现,这是第三次。
Izany no fanintelon'ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy.
他们吃完了早饭,耶稣对西门彼得说:约翰(在太16:17称约拿)的儿子西门,你爱我比这些更深吗?彼得说:主啊,是的,你知道我爱你。耶稣对他说:你餵养我的小羊。
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
耶稣第二次又对他说:约翰的儿子西门,你爱我吗?彼得说:主啊,是的,你知道我爱你。耶稣说:你牧养我的羊。
Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
第三次对他说:约翰的儿子西门,你爱我吗?彼得因为耶稣第三次对他说你爱我吗,就忧愁,对耶稣说:主啊,你是无所不知的;你知道我爱你。耶稣说:你餵养我的羊。
Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
我实实在在的告诉你,你年少的时候,自己束上带子,随意往来;但年老的时候,你要伸出手来,别人要把你束上,带你到不愿意去的地方。
Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao.
耶稣说这话是指著彼得要怎样死,荣耀 神。说了这话,就对他说:你跟从我吧!
Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
彼得转过来,看见耶稣所爱的那门徒跟著,就是在晚饭的时候,靠著耶稣胸膛说:主啊,卖你的是谁?的那门徒。
Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian'i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin'ny tratrany tamin'ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
彼得看见他,就问耶稣说:主啊,这人将来如何?
Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin'ity lehilahy ity?
耶稣对他说:我若要他等到我来的时候,与你何干?你跟从我吧!
Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
于是这话传在弟兄中间,说那门徒不死。其实,耶稣不是说他不死,乃是说:我若要他等到我来的时候,与你何干?
Ary niely tamin'ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
为这些事作见证,并且记载这些事的就是这门徒;我们也知道他的见证是真的。
Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
耶稣所行的事还有许多,若是一一的都写出来,我想,所写的书就是世界也容不下了。
Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.