John 20

七日的第一日清早,天还黑的时候,抹大拉的马利亚来到坟墓那里,看见石头从坟墓挪开了,
Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin'ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin'ny fasana.
就跑来见西门彼得和耶稣所爱的那个门徒,对他们说:有人把主从坟墓里挪了去,我们不知道放在那里。
Dia nihazakazaka nankany amin'i Simona Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
彼得和那门徒就出来,往坟墓那里去。
Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin'ny fasana.
两个人同跑,那门徒比彼得跑的更快,先到了坟墓,
Ary niara-nihazakazaka izy roa lahy; ary ilay mpianatra anankiray nihazakazaka nihoatra an'i Petera ka tonga taloha tao amin'ny fasana.
低头往里看,就见细麻布还放在那里,只是没有进去。
Ary nony niondrika nitsirika izy, dia nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra tao izy.
西门彼得随后也到了,进坟墓里去,就看见细麻布还放在那里,
Ary avy koa Simona Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo,
又看见耶稣的裹头巾没有和细麻布放在一处,是另在一处捲著。
ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana.
先到坟墓的那门徒也进去,看见就信了。
Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.
因为他们还不明白圣经的意思,就是耶稣必要从死里复活。
Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
于是两个门徒回自己的住处去了。
Dia lasa indray ny mpianatra nody tany aminy.
马利亚却站在坟墓外面哭。哭的时候,低头往坟墓里看,
Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana
就见两个天使,穿著白衣,在安放耶稣身体的地方坐著,一个在头,一个在脚。
ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin'ilay nandrian'ny fatin'i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra.
天使对他说:妇人,你为什么哭?他说:因为有人把我主挪了去,我不知道放在那里。
Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
说了这话,就转过身来,看见耶稣站在那里,却不知道是耶稣。
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an'i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy.
耶稣问他说:妇人,为什么哭?你找谁呢?马利亚以为是看园的,就对他说:先生,若是你把他移了去,请告诉我,你把他放在那里,我便去取他。
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
耶稣说:马利亚。马利亚就转过来,用希伯来话对他说:拉波尼!(拉波尼就是夫子的意思。)
Hoy Jesosy taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe: Rabôny! izany hoe: Mpampianatra ô.
耶稣说:不要摸我,因我还没有升上去见我的父。你往我弟兄那里去,告诉他们说,我要升上去见我的父,也是你们的父,见我的 神,也是你们的 神。
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
抹大拉的马利亚就去告诉门徒说:我已经看见了主。他又将主对他说的这话告诉他们。
Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, sady izany teny izany no nolazainy taminy.
那日(就是七日的第一日)晚上,门徒所在的地方,因怕犹太人,门都关了。耶稣来,站在当中,对他们说:愿你们平安!
Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
说了这话,就把手和肋旁指给他们看。门徒看见主,就喜乐了。
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
耶稣又对他们说:愿你们平安!父怎样差遣了我,我也照样差遣你们。
Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
说了这话,就向他们吹一口气,说:你们受圣灵!
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina;
你们赦免谁的罪,谁的罪就赦免了;你们留下谁的罪,谁的罪就留下了。
na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.
那十二个门徒中,有称为低土马的多马;耶稣来的时候,他没有和他们同在。
Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
那些门徒就对他说:我们已经看见主了。多马却说:我非看见他手上的钉痕,用指头探入那钉痕,又用手探入他的肋旁,我总不信。
Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho.
过了八日,门徒又在屋里,多马也和他们同在,门都关了。耶稣来,站在当中说:愿你们平安!
Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
就对多马说:伸过你的指头来,摸(原文是看)我的手;伸出你的手来,探入我的肋旁。不要疑惑,总要信。
Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan'tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
多马说:我的主!我的 神!
Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
耶稣对他说:你因看见了我才信;那没有看见就信的有福了。
Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
耶稣在门徒面前另外行了许多神迹,没有记在这书上。
Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;
但记这些事要叫你们信耶稣是基督,是 神的儿子,并且叫你们信了他,就可以因他的名得生命。
fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino ianareo.