John 2

第三日,在加利利的迦拿有娶亲的筵席,耶稣的母亲在那里。
Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy.
耶稣和他的门徒也被请去赴席。
Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.
酒用尽了,耶稣的母亲对他说:「他们没有酒了。」
Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
耶稣说:「母亲(原文是妇人),我与你有什么相干?我的时候还没有到。」
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
他母亲对用人说:「他告诉你们什么,你们就做什么。」
Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
照犹太人洁净的规矩,有六口石缸摆在那里,每口可以盛两三桶水。
Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy.
耶稣对用人说:「把缸倒满了水。」他们就倒满了,直到缸口。
Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.
耶稣又说:「现在可以舀出来,送给管筵席的。」他们就送了去。
Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
管筵席的尝了那水变的酒,并不知道是那里来的,只有舀水的用人知道。管筵席的便叫新郎来,
Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
对他说:「人都是先摆上好酒,等客喝足了,才摆上次的,你倒把好酒留到如今!」
ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
这是耶稣所行的头一件神迹,是在加利利的迦拿行的,显出他的荣耀来;他的门徒就信他了。
Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
这事以后,耶稣与他的母亲、弟兄、和门徒都下迦百农去,在那里住了不多几日。
Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
犹太人的逾越节近了,耶稣就上耶路撒冷去。
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
看见殿里有卖牛、羊、鸽子的,并有兑换银钱的人坐在那里,
Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
耶稣就拿绳子做成鞭子,把牛羊都赶出殿去,倒出兑换银钱之人的银钱,推翻他们的桌子,
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
又对卖鸽子的说:「把这些东西拿去!不要将我父的殿当作买卖的地方。」
dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
他的门徒就想起经上记著说:「我为你的殿心里焦急,如同火烧。」
Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9).
因此犹太人问他说:「你既做这些事,还显什么神迹给我们看呢?」
Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
耶稣回答说:「你们拆毁这殿,我三日内要再建立起来。」
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy.
犹太人便说:「这殿是四十六年才造成的,你三日内就再建立起来吗?」
Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana?
但耶稣这话是以他的身体为殿。
Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
所以到他从死里复活以后,门徒就想起他说过这话,便信了圣经和耶稣所说的。
Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.
当耶稣在耶路撒冷过逾越节的时候,有许多人看见他所行的神迹,就信了他的名。
Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
耶稣却不将自己交托他们;因为他知道万人,
Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
也用不著谁见证人怎样,因他知道人心里所存的。
ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.