John 15

我是真葡萄树,我父是栽培的人。
Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
凡属我不结果子的枝子,他就剪去;凡结果子的,他就修理干净,使枝子结果子更多。
Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
现在你们因我讲给你们的道,已经干净了。
Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
你们要常在我里面,我也常在你们里面。枝子若不常在葡萄树上,自己就不能结果子;你们若不常在我里面,也是这样。
Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
我是葡萄树,你们是枝子。常在我里面的,我也常在他里面,这人就多结果子;因为离了我,你们就不能做什么。
Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
人若不常在我里面,就像枝子丢在外面枯干,人拾起来,扔在火里烧了。
Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
你们若常在我里面,我的话也常在你们里面,凡你们所愿意的,祈求,就给你们成就。
Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
你们多结果子,我父就因此得荣耀,你们也就是我的门徒了。
Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
我爱你们,正如父爱我一样;你们要常在我的爱里。
Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo.
你们若遵守我的命令,就常在我的爱里,正如我遵守了我父的命令,常在他的爱里。
Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany.
这些事我已经对你们说了,是要叫我的喜乐存在你们心里,并叫你们的喜乐可以满足。
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
你们要彼此相爱,像我爱你们一样;这就是我的命令。
Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
人为朋友舍命,人的爱心没有比这个大的。
Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
你们若遵行我所吩咐的,就是我的朋友了。
Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
以后我不再称你们为仆人,因仆人不知道主人所做的事。我乃称你们为朋友;因我从我父所听见的,已经都告诉你们了。
Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.
不是你们拣选了我,是我拣选了你们,并且分派你们去结果子,叫你们的果子常存,使你们奉我的名,无论向父求什么,他就赐给你们。
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
我这样吩咐你们,是要叫你们彼此相爱。
Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
世人若恨你们,你们知道(或作:该知道),恨你们以先已经恨我了。
Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
你们若属世界,世界必爱属自己的;只因你们不属世界,乃是我从世界中拣选了你们,所以世界就恨你们。
Raha naman'izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman'izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao ianareo.
你们要记念我从前对你们所说的话:仆人不能大于主人。他们若逼迫了我,也要逼迫你们;若遵守了我的话,也要遵守你们的话。
Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
但他们因我的名要向你们行这一切的事,因为他们不认识那差我来的。
Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
我若没有来教训他们,他们就没有罪;但如今他们的罪无可推诿了。
Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin'ny helony.
恨我的,也恨我的父。
Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
我若没有在他们中间行过别人未曾行的事,他们就没有罪;但如今连我与我的父,他们也看见也恨恶了。
Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon'olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
这要应验他们律法上所写的话,说:他们无故的恨我。
fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin'ny lalàny hoe: Halany foana Aho (Sal. 69. 4; 109. 3).
但我要从父那里差保惠师来,就是从父出来真理的圣灵;他来了,就要为我作见证。
Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
你们也要作见证,因为你们从起头就与我同在。
Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.