John 14

你们心里不要忧愁;你们信 神,也当信我。
Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
在我父的家里有许多住处;若是没有,我就早已告诉你们了。我去原是为你们预备地方去。
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
我若去为你们预备了地方,就必再来接你们到我那里去,我在那里,叫你们也在那里。
Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
我往那里去,你们知道;那条路,你们也知道(有古卷作:我往那里去,你们知道那条路)。
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako.
多马对他说:主啊,我们不知道你往那里去,怎么知道那条路呢?
Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
耶稣说:我就是道路、真理、生命;若不借著我,没有人能到父那里去。
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.
你们若认识我,也就认识我的父。从今以后,你们认识他,并且已经看见他。
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
腓力对他说:求主将父显给我们看,我们就知足了。
Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
耶稣对他说:腓力,我与你们同在这样长久,你还不认识我么?人看见了我,就是看见了父;你怎么说将父显给我们看呢?
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
我在父里面,父在我里面,你不信吗?我对你们所说的话,不是凭著自己说的,乃是住在我里面的父做他自己的事。
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
你们当信我,我在父里面,父在我里面;即或不信,也当因我所做的事信我。
Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
我实实在在的告诉你们,我所做的事,信我的人也要做,并且要做比这更大的事,因为我往父那里去。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.
你们奉我的名无论求什么,我必成就,叫父因儿子得荣耀。
Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.
你们若奉我的名求什么,我必成就。
Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
你们若爱我,就必遵守我的命令。
Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
我要求父,父就另外赐给你们一位保惠师(或作:训慰师;下同),叫他永远与你们同在,
Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,
就是真理的圣灵,乃世人不能接受的;因为不见他,也不认识他。你们却认识他,因他常与你们同在,也要在你们里面。
dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
我不撇下你们为孤儿,我必到你们这里来。
Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
还有不多的时候,世人不再看见我,你们却看见我;因为我活著,你们也要活著。
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
到那日,你们就知道我在父里面,你们在我里面,我也在你们里面。
Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
有了我的命令又遵守的,这人就是爱我的;爱我的必蒙我父爱他,我也要爱他,并且要向他显现。
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
犹大(不是加略人犹大)问耶稣说:主啊,为什么要向我们显现,不向世人显现呢?
Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?
耶稣回答说:人若爱我,就必遵守我的道;我父也必爱他,并且我们要到他那里去,与他同住。
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
不爱我的人就不遵守我的道。你们所听见的道不是我的,乃是差我来之父的道。
Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy.
我还与你们同住的时候,已将这些话对你们说了。
Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
但保惠师,就是父因我的名所要差来的圣灵,他要将一切的事指教你们,并且要叫你们想起我对你们所说的一切话。
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
我留下平安给你们;我将我的平安赐给你们。我所赐的,不像世人所赐的。你们心里不要忧愁,也不要胆怯。
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
你们听见我对你们说了,我去还要到你们这里来。你们若爱我,因我到父那里去,就必喜乐,因为父是比我大的。
Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
现在事情还没有成就,我预先告诉你们,叫你们到事情成就的时候就可以信。
Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
以后我不再和你们多说话,因为这世界的王将到。他在我里面是毫无所有;
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
但要叫世人知道我爱父,并且父怎样吩咐我,我就怎样行。起来,我们走吧!
Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.