John 13

逾越节以前,耶稣知道自己离世归父的时候到了。他既然爱世间属自己的人,就爱他们到底。
Ary talohan'ny andro firavoravoana tamin'ny Paska, satria fantatr'i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin'izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin'ny farany.
吃晚饭的时候,魔鬼已将卖耶稣的意思放在西门的儿子加略人犹大心里。
Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak'i Simona, efa nomen'ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
耶稣知道父已将万有交在他手里,且知道自己是从 神出来的,又要归到 神那里去,
sady fantatr'i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
就离席站起来,脱了衣服,拿一条手巾束腰,
dia nitsangana niala teo am-pihinanana Izy ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany;
随后把水倒在盆里,就洗门徒的脚,并用自己所束的手巾擦干。
ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany.
挨到西门彼得,彼得对他说:主啊,你洗我的脚吗?
Dia nankeo amin'i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
耶稣回答说:我所做的,你如今不知道,后来必明白。
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay.
彼得说:你永不可洗我的脚!耶稣说:我若不洗你,你就与我无分了。
Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Hianao. Jesosy namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
西门彼得说:主啊,不但我的脚,连手和头也要洗。
Dia hoy Simona Petera taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tanako sy ny lohako koa.
耶稣说:凡洗过澡的人,只要把脚一洗,全身就干净了。你们是干净的,然而不都是干净的。
Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
耶稣原知道要卖他的是谁,所以说:你们不都是干净的。
Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
耶稣洗完了他们的脚,就穿上衣服,又坐下,对他们说:我向你们所做的,你们明白吗?
Ary rehefa voasasany ny tongony, dia nandray ny lambany Izy ka nipetraka indray, dia nanao taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
你们称呼我夫子,称呼我主,你们说的不错,我本来是。
Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho.
我是你们的主,你们的夫子,尚且洗你们的脚,你们也当彼此洗脚。
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
我给你们做了榜样,叫你们照著我向你们所做的去做。
Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
我实实在在的告诉你们,仆人不能大于主人,差人也不能大于差他的人。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
你们既知道这事,若是去行就有福了。
Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.
我这话不是指著你们众人说的,我知道我所拣选的是谁。现在要应验经上的话,说:同我吃饭的人用脚踢我。
Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy (Sal. 41. 9).
如今事情还没有成就,我要先告诉你们,叫你们到事情成就的时候可以信我是基督。
Hatramin'izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
我实实在在的告诉你们,有人接待我所差遣的,就是接待我;接待我,就是接待那差遣我的。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
耶稣说了这话,心里忧愁,就明说:我实实在在的告诉你们,你们中间有一个人要卖我了。
Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.
门徒彼此对看,猜不透所说的是谁。
Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
有一个门徒,是耶稣所爱的,侧身挨近耶稣的怀里。
Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan'i Jesosy, dia ilay tian'i Jesosy.
西门彼得点头对他说:你告诉我们,主是指著谁说的。
Simona Petera nanatsika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy.
那门徒便就势靠著耶稣的胸膛,问他说:主啊,是谁呢?
Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin'ny tratran'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
耶稣回答说:我蘸一点饼给谁,就是谁。耶稣就蘸了一点饼,递给加略人西门的儿子犹大。
Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an'i Jodasy, zanak'i Simona Iskariota.
他吃了以后,撒但就入了他的心。耶稣便对他说:你所做的,快做吧!
Ary manaraka izany no nidiran'i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana.
同席的人没有一个知道是为什么对他说这话。
Fa tsy nisy tamin'izay nipetraka nihinana nahalala ny anton'ny nilazany izany taminy.
有人因犹大带著钱囊,以为耶稣是对他说:你去买我们过节所应用的东西,或是叫他拿什么赒济穷人。
Fa nataon'ny sasany fa satria Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan'i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny andro firavoravoana, na mba hanome zavatra ho an'ny malahelo.
犹大受了那点饼,立刻就出去。那时候是夜间了。
Ary rehefa nandray ny sombin-kanina izy, dia nivoaka niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.
他既出去,耶稣就说:如今人子得了荣耀, 神在人子身上也得了荣耀。
Ary tamin'izay, nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak'olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.
 神要因自己荣耀人子,并且要快快的荣耀他。
Ary Andriamanitra kosa hankalaza Azy amin'ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin'izay Izy.
小子们,我还有不多的时候与你们同在;后来你们要找我,但我所去的地方你们不能到。这话我曾对犹太人说过,如今也照样对你们说。
Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary araka ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
我赐给你们一条新命令,乃是叫你们彼此相爱;我怎样爱你们,你们也要怎样相爱。
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
你们若有彼此相爱的心,众人因此就认出你们是我的门徒了。
Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
西门彼得问耶稣说:主往那里去?耶稣回答说:我所去的地方,你现在不能跟我去,后来却要跟我去。
Hoy Simona Petera taminy: Tompoko, hankaiza moa Hianao? Jesosy namaly hoe: Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
彼得说:主啊,我为什么现在不能跟你去?我愿意为你舍命!
Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
耶稣说:你愿意为我舍命吗?我实实在在的告诉你,鸡叫以先,你要三次不认我。
Jesosy namaly hoe: Ny ainao va no hafoinao noho ny amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno mandra-pandànao Ahy intelo.