John 12

逾越节前六日,耶稣来到伯大尼,就是他叫拉撒路从死里复活之处。
Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran'i Lazarosy, ilay natsangany tamin'ny maty.
有人在那里给耶稣预备筵席;马大伺候,拉撒路也在那同耶稣坐席的人中。
Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy.
马利亚就拿著一斤极贵的真哪哒香膏,抹耶稣的脚,又用自己头发去擦,屋里就满了膏的香气。
Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
有一个门徒,就是那将要卖耶稣的加略人犹大,
Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
说:这香膏为什么不卖三十两银子赒济穷人呢?
Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
他说这话,并不是挂念穷人,乃因他是个贼,又带著钱囊,常取其中所存的。
Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
耶稣说:由她吧!她是为我安葬之日存留的。
Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin'ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
因为常有穷人和你们同在,只是你们不常有我。
Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
有许多犹太人知道耶稣在那里,就来了,不但是为耶稣的缘故,也是要看他从死里所复活的拉撒路。
Ary ny vahoaka betsaka tamin'ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an'i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin'ny maty.
但祭司长商议连拉撒路也要杀了;
Fa nihendry hahafaty an'i Lazarosy koa ny lohan'ny mpisorona,
因有好些犹太人为拉撒路的缘故,回去信了耶稣。
satria izy no nialan'ny maro tamin'ny Jiosy ka ninoany an'i Jesosy.
第二天,有许多上来过节的人听见耶稣将到耶路撒冷,
Ary nony ampitson'iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin'ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
就拿著棕树枝出去迎接他,喊著说:和散那!奉主名来的以色列王是应当称颂的!
dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan'ny Isiraely, Ilay avy amin'ny anaran'i Jehovah (Sal. 118, 26).
耶稣得了一个驴驹,就骑上,如经上所记的说:
Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
锡安的民(原文作女子)哪,不要惧怕!你的王骑著驴驹来了。
Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky (Zak. 9. 9).
这些事门徒起先不明白,等到耶稣得了荣耀以后才想起这话是指著他写的,并且众人果然向他这样行了。
Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa niditra tamin'ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
当耶稣呼唤拉撒路,叫他从死复活出坟墓的时候,同耶稣在那里的众人就作见证。
Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty.
众人因听见耶稣行了这神迹,就去迎接他。
Ary izany koa no nitsenan'ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
法利赛人彼此说:看哪,你们是徒劳无益,世人都随从他去了。
Ary tamin'izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
那时,上来过节礼拜的人中,有几个希腊人。
Ary nisy Grika sasany tamin'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro firavoravoana,
他们来见加利利伯赛大的腓力,求他说:先生,我们愿意见耶稣。
ary izy ireo nankany amin'i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy izahay.
腓力去告诉安得烈,安得烈同腓力去告诉耶稣。
Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin'i Jesosy.
耶稣说:人子得荣耀的时候到了。
Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona.
我实实在在的告诉你们,一粒麦子不落在地里死了,仍旧是一粒,若是死了,就结出许多子粒来。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
爱惜自己生命的,就失丧生命;在这世上恨恶自己生命的,就要保守生命到永生。
Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.
若有人服事我,就当跟从我;我在那里,服事我的人也要在那里;若有人服事我,我父必尊重他。
Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
我现在心里忧愁,我说什么才好呢?父啊,救我脱离这时候;但我原是为这时候来的。
Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin'ity ora ity;
父啊,愿你荣耀你的名!当时就有声音从天上来,说:我已经荣耀了我的名,还要再荣耀。
Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
站在旁边的众人听见,就说:打雷了。还有人说:有天使对他说话。
Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
耶稣说:这声音不是为我,是为你们来的。
Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan'izany feo izany, fa noho ianareo.
现在这世界受审判,这世界的王要被赶出去。
Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan'izao tontolo izao no horoahina.
我若从地上被举起来,就要吸引万人来归我。
Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
耶稣这话原是指著自己将要怎样死说的。
Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
众人回答说:我们听见律法上有话说,基督是永存的,你怎么说人子必须被举起来呢?这人子是谁呢?
Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin'ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany?
耶稣对他们说:光在你们中间还有不多的时候,应当趁著有光行走,免得黑暗临到你们;那在黑暗里行走的,不知道往何处去。
Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
你们应当趁著有光,信从这光,使你们成为光明之子。耶稣说了这话,就离开隐藏了。
Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
他虽然在他们面前行了许多神迹,他们还是不信他。
Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
这是要应验先知以赛亚的话,说:主啊,我们所传的有谁信呢?主的膀臂向谁显露呢?
mba hahatanteraka ny teny nataon'Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah? (Isa. 53. 1.)
他们所以不能信,因为以赛亚又说:
Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
主叫他们瞎了眼,硬了心,免得他们眼睛看见,心里明白,回转过来,我就医治他们。
Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10).
以赛亚因为看见他的荣耀,就指著他说这话。
Izany teny izany no nolazain'Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
虽然如此,官长中却有好些信他的,只因法利赛人的缘故,就不承认,恐怕被赶出会堂。
Kanefa maro tamin'ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin'ny synagoga.
这是因他们爱人的荣耀过于爱 神的荣耀。
Fa tia ny voninahitra avy amin'ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.
耶稣大声说:信我的,不是信我,乃是信那差我来的。
Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
人看见我,就是看见那差我来的。
Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
我到世上来,乃是光,叫凡信我的,不住在黑暗里。
Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy.
若有人听见我的话不遵守,我不审判他。我来本不是要审判世界,乃是要拯救世界。
Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
弃绝我、不领受我话的人,有审判他的─就是我所讲的道在末日要审判他。
Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany,
因为我没有凭著自己讲,惟有差我来的父已经给我命令,叫我说什么,讲什么。
satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
我也知道他的命令就是永生。故此,我所讲的话正是照著父对我所说的。
Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.