John 10

我实实在在的告诉你们,人进羊圈,不从门进去,倒从别处爬进去,那人就是贼,就是强盗。
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
从门进去的,才是羊的牧人。
Fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry.
看门的就给他开门;羊也听他的声音。他按著名叫自己的羊,把羊领出来。
Ary izy no vohan'ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany avy ka entiny mivoaka.
既放出自己的羊来,就在前头走,羊也跟著他,因为认得他的声音。
Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
羊不跟著生人;因为不认得他的声音。必要逃跑。
Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ny vahiny.
耶稣将这比喻告诉他们,但他们不明白所说的是什么意思。
Izany fanoharana izany no nolazain'i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
所以,耶稣又对他们说:我实实在在的告诉你们,我就是羊的门。
Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin'ondry.
凡在我以先来的都是贼,是强盗;羊却不听他们。
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
我就是门;凡从我进来的,必然得救,并且出入得草吃。
Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
盗贼来,无非要偷窃,杀害,毁坏;我来了,是要叫羊(或作:人)得生命,并且得的更丰盛。
Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
我是好牧人;好牧人为羊舍命。
Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
若是雇工,不是牧人,羊也不是他自己的,他看见狼来,就撇下羊逃走;狼抓住羊,赶散了羊群。
Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
雇工逃走,因他是雇工,并不顾念羊。
mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
我是好牧人;我认识我的羊,我的羊也认识我,
Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
正如父认识我,我也认识父一样;并且我为羊舍命。
dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
我另外有羊,不是这圈里的;我必须领他们来,他们也要听我的声音,并且要合成一群,归一个牧人了。
Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
我父爱我;因我将命舍去,好再取回来。
Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
没有人夺我的命去,是我自己舍的。我有权柄舍了,也有权柄取回来。这是我从我父所受的命令。
Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.
犹太人为这些话又起了纷争。
Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany.
内中有好些人说:他是被鬼附著,而且疯了,为什么听他呢?
Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
又有人说:这不是鬼附之人所说的话。鬼岂能叫瞎子的眼睛开了呢?
Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
在耶路撒冷有修殿节,是冬天的时候。
Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
耶稣在殿里所罗门的廊下行走。
Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona.
犹太人围著他,说:你叫我们犹疑不定到几时呢?你若是基督,就明明的告诉我们。
Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
耶稣回答说:我已经告诉你们,你们不信。我奉我父之名所行的事可以为我作见证;
Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy.
只是你们不信,因为你们不是我的羊。
Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.
我的羊听我的声音,我也认识他们,他们也跟著我。
Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
我又赐给他们永生;他们永不灭亡,谁也不能从我手里把他们夺去。
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.
我父把羊赐给我,他比万有都大,谁也不能从我父手里把他们夺去。
Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray.
我与父原为一。
Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
犹太人又拿起石头来要打他。
Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
耶稣对他们说:我从父显出许多善事给你们看,你们是为那一件拿石头打我呢?
Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
犹太人回答说:我们不是为善事拿石头打你,是为你说僭妄的话;又为你是个人,反将自己当作 神。
Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
耶稣说:你们的律法上岂不是写著我曾说你们是神吗?
Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin'ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo? (Sal. 82. 6).
经上的话是不能废的;若那些承受 神道的人尚且称为神,
Raha ireny izay nanaovana izany tenin'Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana),
父所分别为圣、又差到世间来的,他自称是 神的儿子,你们还向他说你说僭妄的话吗?
moa Izay nohasinin'ny Ray ka nirahiny ho amin'izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak'Andriamanitra Aho?
我若不行我父的事,你们就不必信我;
Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
我若行了,你们纵然不信我,也当信这些事,叫你们又知道又明白父在我里面,我也在父里面。
Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin'ny Ray.
他们又要拿他,他却逃出他们的手走了。
Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
耶稣又往约旦河外去,到了约翰起初施洗的地方,就住在那里。
Dia lasa nankany an-dafin'i Jordana indray Jesosy, ho any amin'ilay tany nanaovan'i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
有许多人来到他那里。他们说:约翰一件神迹没有行过,但约翰指著这人所说的一切话都是真的。
Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin'ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
在那里,信耶稣的人就多了。
Ary maro no nino Azy teo.