John 1

太初有道,道与 神同在,道就是 神。
Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
这道太初与 神同在。
Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
万物是借著他造的;凡被造的,没有一样不是借著他造的。
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
生命在他里头,这生命就是人的光。
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
光照在黑暗里,黑暗却不接受光。
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
有一个人,是从 神那里差来的,名叫约翰。
Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
这人来,为要作见证,就是为光作见证,叫众人因他可以信。
Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
他不是那光,乃是要为光作见证。
Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
那光是真光,照亮一切生在世上的人。
Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.
他在世界,世界也是借著他造的,世界却不认识他。
Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
他到自己的地方来,自己的人倒不接待他。
Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
凡接待他的,就是信他名的人,他就赐他们权柄,作 神的儿女。
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
这等人不是从血气生的,不是从情欲生的,也不是从人意生的,乃是从 神生的。
dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
道成了肉身,住在我们中间,充充满满的有恩典有真理。我们也见过他的荣光,正是父独生子的荣光。
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
约翰为他作见证,喊著说:「这就是我曾说:『那在我以后来的,反成了在我以前的,因他本来在我以前。』」
Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
从他丰满的恩典里,我们都领受了,而且恩上加恩。
Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
律法本是借著摩西传的;恩典和真理都是由耶稣基督来的。
Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
从来没有人看见 神,只有在父怀里的独生子将他表明出来。
Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
约翰所作的见证记在下面:犹太人从耶路撒冷差祭司和利未人到约翰那里,问他说:「你是谁?」
Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
他就明说,并不隐瞒,明说:「我不是基督。」
Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
他们又问他说:「这样,你是谁呢?是以利亚吗?」他说:「我不是。」「是那先知吗?」他回答说:「不是。」
Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
于是他们说:「你到底是谁,叫我们好回覆差我们来的人。你自己说,你是谁?」
Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
他说:「我就是那在旷野有人声喊著说:『修直主的道路』,正如先知以赛亚所说的。」
Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
那些人是法利赛人差来的(或作:那差来的是法利赛人);
Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
他们就问他说:「你既不是基督,不是以利亚,也不是那先知,为什么施洗呢?」
Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
约翰回答说:「我是用水施洗,但有一位站在你们中间,是你们不认识的,
Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
就是那在我以后来的,我给他解鞋带也不配。」
dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
这是在约旦河外伯大尼(有古卷:伯大巴喇),约翰施洗的地方作的见证。
Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.
次日,约翰看见耶稣来到他那里,就说:「看哪, 神的羔羊,除去(或译:背负)世人罪孽的!
Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!
这就是我曾说:『有一位在我以后来、反成了在我以前的,因他本来在我以前。』
Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
我先前不认识他,如今我来用水施洗,为要叫他显明给以色列人。」
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
约翰又作见证说:「我曾看见圣灵,彷彿鸽子从天降下,住在他的身上。
Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
我先前不认识他,只是那差我来用水施洗的、对我说:『你看见圣灵降下来,住在谁的身上,谁就是用圣灵施洗的。』
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
我看见了,就证明这是 神的儿子。」
Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
再次日,约翰同两个门徒站在那里。
Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
他见耶稣行走,就说:「看哪,这是 神的羔羊!」
ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
两个门徒听见他的话,就跟从了耶稣。
Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
耶稣转过身来,看见他们跟著,就问他们说:「你们要什么?」他们说:「拉比,在哪里住?」(拉比翻出来就是夫子。)
Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
耶稣说:「你们来看。」他们就去看他在那里住,这一天便与他同住;那时约有申正了。
Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
听见约翰的话跟从耶稣的那两个人,一个是西门彼得的兄弟安得烈。
Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
他先找著自己的哥哥西门,对他说:「我们遇见弥赛亚了。」(弥赛亚繙出来就是基督。)
Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
于是领他去见耶稣。耶稣看著他,说:「你是约翰的儿子西门(约翰在马太16:17称约拿),你要称为矶法。」(矶法翻出来就是彼得。)
Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
又次日,耶稣想要往加利利去,遇见腓力,就对他说:「来跟从我吧。」
Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
这腓力是伯赛大人,和安得烈、彼得同城。
Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
腓力找著拿但业,对他说「摩西在律法上所写的和众先知所记的那一位,我们遇见了,就是约瑟的儿子拿撒勒人耶稣。」
Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta.
拿但业对他说:「拿撒勒还能出什么好的吗?」腓力说:「你来看!」
Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
耶稣看见拿但业来,就指著他说:「看哪,这是个真以色列人,他心里是没有诡诈的。」
Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
拿但业对耶稣说:「你从哪知道我呢?」耶稣回答说:「腓力还没有招呼你,你在无花果树底下,我就看见你了。」
Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy ianao.
拿但业说:「拉比,你是 神的儿子,你是以色列的王!」
Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.
耶稣对他说:「因为我说『在无花果树底下看见你』,你就信吗?你将要看见比这更大的事」;
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
又说:「我实实在在地告诉你们,你们将要看见天开了, 神的使者上去下来在人子身上。」
Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.