Joel 2

你们要在锡安吹角,在我圣山吹出大声。国中的居民都要发颤;因为耶和华的日子将到,已经临近。
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
那日是黑暗、幽冥、密云、乌黑的日子,好像晨光铺满山岭。有一队蝗虫(原文是民)又大又强;从来没有这样的,以后直到万代也必没有。
Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
牠们前面如火烧灭,后面如火焰烧尽。未到以前,地如伊甸园;过去以后,成了荒凉的旷野;没有一样能躲避牠们的。
Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
牠们的形状如马,奔跑如马兵。
Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
在山顶蹦跳的响声,如车辆的响声,又如火焰烧碎秸的响声,好像强盛的民摆阵预备打仗。
Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
牠们一来,众民伤恸,脸都变色。
Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;
牠们如勇士奔跑,像战士爬城;各都步行,不乱队伍。
Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
彼此并不拥挤,向前各行其路,直闯兵器,不偏左右。
Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.
牠们蹦上城,蹿上墙,爬上房屋,进入窗户如同盗贼。
Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
牠们一来,地震天动,日月昏暗,星宿无光。
Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
耶和华在他军旅前发声,他的队伍甚大;成就他命的是强盛者。因为耶和华的日子大而可畏,谁能当得起呢?
Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
耶和华说:虽然如此,你们应当禁食、哭泣、悲哀,一心归向我。
Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
你们要撕裂心肠,不撕裂衣服。归向耶和华─你们的 神;因为他有恩典,有怜悯,不轻易发怒,有丰盛的慈爱,并且后悔不降所说的灾。
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,
或者他转意后悔,留下余福,就是留下献给耶和华─你们 神的素祭和奠祭,也未可知。
Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo.
你们要在锡安吹角,分定禁食的日子,宣告严肃会。
Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina.
聚集众民,使会众自洁:招聚老者,聚集孩童和吃奶的;使新郎出离洞房,新妇出离内室。
Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
事奉耶和华的祭司要在廊子和祭坛中间哭泣,说:耶和华啊,求你顾惜你的百姓,不要使你的产业受羞辱,列邦管辖他们。为何容列国的人说:「他们的 神在哪里」呢?
Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
耶和华就为自己的地发热心,怜恤他的百姓。
Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
耶和华应允他的百姓说:我必赐给你们五谷、新酒,和油,使你们饱足;我也不再使你们受列国的羞辱;
Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
却要使北方来的军队远离你们,将他们赶到干旱荒废之地:前队赶入东海,后队赶入西海;因为他们所行的大恶(原文作事),臭气上升,腥味腾空。
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
地土啊,不要惧怕;要欢喜快乐,因为耶和华行了大事。
Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
田野的走兽啊,不要惧怕;因为,旷野的草发生,树木结果,无花果树、葡萄树也都效力。
Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
锡安的民哪,你们要快乐,为耶和华─你们的 神欢喜;因他赐给你们合宜的秋雨,为你们降下甘霖,就是秋雨、春雨,和先前一样。
Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
禾场必满了麦子;酒醡与油醡必有新酒和油盈溢。
Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
我打发到你们中间的大军队,就是蝗虫、蝻子、蚂蚱、剪虫,那些年所吃的,我要补还你们。
Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
你们必多吃而得饱足就讚美为你们行奇妙事之耶和华─你们 神的名。我的百姓必永远不致羞愧。
Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.
你们必知道我是在以色列中间,又知道我是耶和华─你们的 神;在我以外并无别神。我的百姓必永远不致羞愧。
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
以后,我要将我的灵浇灌凡有血气的。你们的儿女要说预言;你们的老年人要做异梦,少年人要见异象。
在那些日子,我要将我的灵浇灌我的仆人和使女。
「在天上地下,我要显出奇事,有血,有火,有烟柱。
日头要变为黑暗,月亮要变为血,这都在耶和华大而可畏的日子未到以前。
到那时候,凡求告耶和华名的就必得救;因为照耶和华所说的,在锡安山,耶路撒冷必有逃脱的人,在剩下的人中必有耶和华所召的。」