Job 7

人在世上岂无争战吗?他的日子不像雇工人的日子吗?
Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
像奴仆切慕黑影,像雇工人盼望工价;
Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,
我也照样经过困苦的日月,夜间的疲乏为我而定。
Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
我躺卧的时候便说:我何时起来,黑夜就过去呢?我尽是反来覆去,直到天亮。
Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.
我的肉体以虫子和尘土为衣;我的皮肤才收了口又重新破裂。
Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
我的日子比梭更快,都消耗在无指望之中。
Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
求你想念,我的生命不过是一口气;我的眼睛必不再见福乐。
Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
观看我的人,他的眼必不再见我;你的眼目要看我,我却不在了。
Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
云彩消散而过;照样,人下阴间也不再上来。
Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;
他不再回自己的家;故土也不再认识他。
Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
我不禁止我口;我灵愁苦,要发出言语;我心苦恼,要吐露哀情。
Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.
我对 神说:我岂是洋海,岂是大鱼,你竟防守我呢?
Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
若说:我的床必安慰我,我的榻必解释我的苦情,
Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
你就用梦惊骇我,用异象恐吓我,
Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
甚至我宁肯噎死,宁肯死亡,胜似留我这一身的骨头。
Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
我厌弃性命,不愿永活。你任凭我吧,因我的日子都是虚空。
Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
人算什么,你竟看他为大,将他放在心上?
Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
每早鉴察他,时刻试验他?
Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
你到何时才转眼不看我,才任凭我咽下唾沫呢?
Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
鉴察人的主啊,我若有罪,于你何妨?为何以我当你的箭靶子,使我厌弃自己的性命?
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
为何不赦免我的过犯,除掉我的罪孽?我现今要躺卧在尘土中;你要殷勤地寻找我,我却不在了。
Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.