Job 5

你且呼求,有谁答应你?诸圣者之中,你转向哪一位呢?
Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
忿怒害死愚妄人;嫉妒杀死痴迷人。
Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
我曾见愚妄人扎下根,但我忽然咒诅他的住处。
Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
他的儿女远离稳妥的地步,在城门口被压,并无人搭救。
Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
他的庄稼有饥饿的人吃尽了,就是在荆棘里的也抢去了;他的财宝有网罗张口吞灭了。
Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
祸患原不是从土中出来;患难也不是从地里发生。
Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
人生在世必遇患难,如同火星飞腾。
Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
至于我,我必仰望 神,把我的事情托付他。
Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
他行大事不可测度,行奇事不可胜数:
Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
降雨在地上,赐水于田里;
Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
将卑微的安置在高处,将哀痛的举到稳妥之地;
Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
破坏狡猾人的计谋,使他们所谋的不得成就。
Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
他叫有智慧的中了自己的诡计,使狡诈人的计谋速速灭亡。
Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
他们白昼遇见黑暗,午间摸索如在夜间。
Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
 神拯救穷乏人脱离他们口中的刀和强暴人的手。
Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.
这样,贫寒的人有指望,罪孽之辈必塞口无言。
Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
 神所惩治的人是有福的!所以你不可轻看全能者的管教。
Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
因为他打破,又缠裹;他击伤,用手医治。
Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
你六次遭难,他必救你;就是七次,灾祸也无法害你。
Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
在饥荒中,他必救你脱离死亡;在争战中,他必救你脱离刀剑的权力。
Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
你必被隐藏,不受口舌之害;灾殃临到,你也不惧怕。
Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
你遇见灾害饥馑,就必嬉笑;地上的野兽,你也不惧怕。
Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
因为你必与田间的石头立约;田里的野兽也必与你和好。
Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
你必知道你帐棚平安,要查看你的羊圈,一无所失;
Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
也必知道你的后裔将来发达,你的子孙像地上的青草。
Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
你必寿高年迈才归坟墓,好像禾捆到时收藏。
Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.
这理,我们已经考察,本是如此。你须要听,要知道是与自己有益。
Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.