Job 39

山巖间的野山羊几时生产,你知道吗?母鹿下犊之期,你能察定吗?
Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
牠们怀胎的月数,你能数算吗?牠们几时生产,你能晓得吗?
Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
牠们屈身,将子生下,就除掉疼痛。
Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
这子渐渐肥壮,在荒野长大,去而不回。
Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
谁放野驴出去自由?谁解开快驴的绳索?
Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
我使旷野作牠的住处,使咸地当牠的居所。
Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
牠嗤笑城内的喧嚷,不听赶牲口的喝声。
Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
遍山是牠的草场;牠寻找各样青绿之物。
Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
野牛岂肯服事你?岂肯住在你的槽旁?
Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
你岂能用套绳将野牛笼在犁沟之间?牠岂肯随你耙山谷之地?
Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
岂可因牠的力大就倚靠牠?岂可把你的工交给牠做吗?
Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
岂可信靠牠把你的粮食运到家,又收聚你禾场上的谷吗?
Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
鸵鸟的翅膀欢然搧展,岂是显慈爱的翎毛和羽毛吗?
Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
因牠把蛋留在地上,在尘土中使得温暖;
Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
却想不到被脚踹碎,或被野兽践踏。
Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
牠忍心待雏,似乎不是自己的;虽然徒受劳苦,也不为雏惧怕;
Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
因为 神使牠没有智慧,也未将悟性赐给牠。
Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
牠几时挺身展开翅膀,就嗤笑马和骑马的人。
Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
马的大力是你所赐的吗?牠颈项上挓挲的鬃是你给牠披上的吗?
Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
是你叫牠跳跃像蝗虫吗?牠喷气之威使人惊惶。
Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
牠在谷中刨地,自喜其力;牠出去迎接佩带兵器的人。
Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
牠嗤笑可怕的事并不惊惶,也不因刀剑退回。
Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
箭袋和发亮的枪,并短枪在牠身上铮铮有声。
Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
牠发猛烈的怒气将地吞下;一听角声就不耐站立。
Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
角每发声,牠说呵哈;牠从远处闻著战气,又听见军长大发雷声和兵丁呐喊。
Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
鹰雀飞翔,展开翅膀一直向南,岂是借你的智慧吗?
Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
大鹰上腾在高处搭窝,岂是听你的吩咐吗?
Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
牠住在山巖,以山峰和坚固之所为家,
Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.
从那里窥看食物,眼睛远远观望。
Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
牠的雏也咂血;被杀的人在哪里,牠也在那里。
Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.