Job 27

约伯接著说:
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
 神夺去我的理,全能者使我心中愁苦。我指著永生的 神起誓:
Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
我的生命尚在我里面; 神所赐呼吸之气仍在我的鼻孔内。
Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.
我的嘴决不说非义之言;我的舌也不说诡诈之语。
Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
我断不以你们为是;我至死必不以自己为不正!
Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
我持定我的义,必不放松;在世的日子,我心必不责备我。
Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.
愿我的仇敌如恶人一样;愿那起来攻击我的,如不义之人一般。
Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
不敬虔的人虽然得利, 神夺取其命的时候还有什么指望呢?
Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny?
患难临到他, 神岂能听他的呼求?
Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
他岂以全能者为乐,随时求告 神呢?
Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
 神的作为,我要指教你们;全能者所行的,我也不隐瞒。
Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
你们自己也都见过,为何全然变为虚妄呢?
Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
 神为恶人所定的分,强暴人从全能者所得的报(原文是产业)乃是这样:
Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:
倘或他的儿女增多,还是被刀所杀;他的子孙必不得饱食。
Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
他所遗留的人必死而埋葬;他的寡妇也不哀哭。
Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;
他虽积蓄银子如尘沙,预备衣服如泥土;
Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
他只管预备,义人却要穿上;他的银子,无辜的人要分取。
Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
他建造房屋如虫做窝,又如守望者所搭的棚。
Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
他虽富足躺卧,却不得收殓,转眼之间就不在了。
Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
惊恐如波涛将他追上;暴风在夜间将他刮去。
Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
东风把他飘去,又刮他离开本处。
Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
 神要向他射箭,并不留情;他恨不得逃脱 神的手。
Asian'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;
人要向他拍掌,并要发叱声,使他离开本处。
Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.