Job 26

约伯回答说:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
无能的人蒙你何等的帮助!膀臂无力的人蒙你何等的拯救!
Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
无智慧的人蒙你何等的指教!你向他多显大知识!
Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
你向谁发出言语来?谁的灵从你而出?
Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?
在大水和水族以下的阴魂战兢。
Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
在 神面前,阴间显露;灭亡也不得遮掩。
Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.
 神将北极铺在空中,将大地悬在虚空;
Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
将水包在密云中,云却不破裂;
Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.
遮蔽他的宝座,将云铺在其上;
Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
在水面的周围划出界限,直到光明黑暗的交界。
Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
天的柱子因他的斥责震动惊奇。
Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.
他以能力搅动(或译:平静)大海;他借知识打伤拉哈伯,
Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;
借他的灵使天有妆饰;他的手刺杀快蛇。
Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
看哪,这不过是 神工作的些微;我们所听于他的是何等细微的声音!他大能的雷声谁能明透呢?
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?