Job 20

拿玛人琐法回答说:
Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
我心中急躁,所以我的思念叫我回答。
Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.
我已听见那羞辱我,责备我的话;我的悟性叫我回答。
Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
你岂不知亘古以来,自从人生在地,
Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
恶人夸胜是暂时的,不敬虔人的喜乐不过转眼之间吗?
Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44
他的尊荣虽达到天上,头虽顶到云中,
Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
他终必灭亡,像自己的粪一样;素来见他的人要说:他在哪里呢?
Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
他必飞去如梦,不再寻见,速被赶去,如夜间的异象。
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
亲眼见过他的,必不再见他;他的本处也再见不著他。
Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
他的儿女要求穷人的恩;他的手要赔还不义之财。
Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
他的骨头虽然有青年之力,却要和他一同躺卧在尘土中。
Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.
他口内虽以恶为甘甜,藏在舌头底下,
Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
爱恋不舍,含在口中;
Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
他的食物在肚里却要化为酸,在他里面成为虺蛇的恶毒。
Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
他吞了财宝,还要吐出; 神要从他腹中掏出来。
Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
他必吸饮虺蛇的毒气;蝮蛇的舌头也必杀他。
Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
流奶与蜜之河,他不得再见。
Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
他劳碌得来的要赔还,不得享用(原文是吞下);不能照所得的财货欢乐。
Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
他欺压穷人,且又离弃;强取非自己所盖的房屋(或译:强取房屋不得再建造)。
Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
他因贪而无厌,所喜悦的连一样也不能保守。
Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
其余的没有一样他不吞灭,所以他的福乐不能长久。
Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
他在满足有余的时候,必到狭窄的地步;凡受苦楚的人都必加手在他身上。
Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
他正要充满肚腹的时候, 神必将猛烈的忿怒降在他身上;正在他吃饭的时候,要将这忿怒像雨降在他身上。
Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
他要躲避铁器;铜弓的箭要将他射透。
Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
他把箭一抽,就从他身上出来;发光的箭头从他胆中出来,有惊惶临在他身上。
Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
他的财宝归于黑暗;人所不吹的火要把他烧灭,要把他帐棚中所剩下的烧毁。
Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
天要显明他的罪孽;地要兴起攻击他。
Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
他的家产必然过去; 神发怒的日子,他的货物都要消灭。
Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.
这是恶人从 神所得的分,是 神为他所定的产业。
Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.