Job 19

约伯回答说:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
你们搅扰我的心,用言语压碎我要到几时呢?
Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
你们这十次羞辱我;你们苦待我也不以为耻。
Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
果真我有错,这错乃是在我。
Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
你们果然要向我夸大,以我的羞辱为证指责我,
Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
就该知道是 神倾覆我,用网罗围绕我。
Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
我因委曲呼叫,却不蒙应允;我呼求,却不得公断。
Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
 神用篱笆拦住我的道路,使我不得经过;又使我的路径黑暗。
Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.
他剥去我的荣光,摘去我头上的冠冕。
Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
他在四围攻击我,我便归于死亡,将我的指望如树拔出来。
Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
他的忿怒向我发作,以我为敌人。
Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
他的军旅一齐上来,修筑战路攻击我,在我帐棚的四围安营。
Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
他把我的弟兄隔在远处,使我所认识的全然与我生疏。
Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
我的亲戚与我断绝;我的密友都忘记我。
Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
在我家寄居的,和我的使女都以我为外人;我在他们眼中看为外邦人。
Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
我呼唤仆人,虽用口求他,他还是不回答。
Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
我口的气味,我妻子厌恶;我的恳求,我同胞也憎嫌。
Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
连小孩子也藐视我;我若起来,他们都嘲笑我。
Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
我的密友都憎恶我;我平日所爱的人向我翻脸。
Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
我的皮肉紧贴骨头;我只剩牙皮逃脱了。
Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
我朋友啊,可怜我!可怜我!因为 神的手攻击我。
Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
你们为什么彷彿 神逼迫我,吃我的肉还以为不足呢?
Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
惟愿我的言语现在写上,都记录在书上;
Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
用铁笔镌刻,用铅灌在磐石上,直存到永远。
Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
我知道我的救赎主活著,末了必站立在地上。
Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin'ny vovoka Izy.
我这皮肉灭绝之后,我必在肉体之外得见 神。
Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra;
我自己要见他,亲眼要看他,并不像外人。我的心肠在我里面消灭了!
Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
你们若说:我们逼迫他要何等地重呢?惹事的根乃在乎他;
Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
你们就当惧怕刀剑;因为忿怒惹动刀剑的刑罚,使你们知道有报应(原文是审判)。
Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.