Jeremiah 9

但愿我的头为水,我的眼为泪的泉源,我好为我百姓(原文是民女;七节同)中被杀的人昼夜哭泣。
Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
惟愿我在旷野有行路人住宿之处,使我可以离开我的民出去;因他们都是行奸淫的,是行诡诈的一党。
Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
他们弯起舌头像弓一样,为要说谎话。他们在国中增长势力,不是为行诚实,乃是恶上加恶,并不认识我。这是耶和华说的。
Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.
你们各人当谨防邻舍,不可信靠弟兄;因为弟兄尽行欺骗,邻舍都往来谗谤人。
Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.
他们各人欺哄邻舍,不说真话;他们教舌头学习说谎,劳劳碌碌地作孽。
Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
你的住处在诡诈的人中;他们因行诡诈,不肯认识我。这是耶和华说的。
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?
所以万军之耶和华如此说:看哪,我要将他们融化熬炼;不然,我因我百姓的罪该怎样行呢?
Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
他们的舌头是毒箭,说话诡诈;人与邻舍口说和平话,心却谋害他。
Tsy hovaliako va izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
耶和华说:我岂不因这些事讨他们的罪呢?岂不报复这样的国民呢?
Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn'omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
我要为山岭哭泣悲哀,为旷野的草场扬声哀号;因为都已干焦,甚至无人经过。人也听不见牲畜鸣叫,空中的飞鸟和地上的野兽都已逃去。
Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia; ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.
我必使耶路撒冷变为乱堆,为野狗的住处,也必使犹大的城邑变为荒场,无人居住。
Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
谁是智慧人,可以明白这事?耶和华的口向谁说过,使他可以传说?遍地为何灭亡,干焦好像旷野,甚至无人经过呢?
Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,
耶和华说:「因为这百姓离弃我在他们面前所设立的律法没有遵行,也没有听从我的话;
Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,
只随从自己顽梗的心行事,照他们列祖所教训的随从众巴力。」
Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
所以万军之耶和华─以色列的 神如此说:「看哪,我必将茵蔯给这百姓吃,又将苦胆水给他们喝。
Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
我要把他们散在列邦中,就是他们和他们列祖素不认识的列邦。我也要使刀剑追杀他们,直到将他们灭尽。」
Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
万军之耶和华如此说:你们应当思想,将善唱哀歌的妇女召来,又打发人召善哭的妇女来,
Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.
叫她们速速为我们举哀,使我们眼泪汪汪,使我们的眼皮涌出水来。
Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
因为听见哀声出于锡安,说:我们怎样败落了!我们大大地惭愧!我们撇下地土;人也拆毁了我们的房屋。
Nefa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
妇女们哪,你们当听耶和华的话,领受他口中的言语;又当教导你们的儿女举哀,各人教导邻舍唱哀歌。
Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.
因为死亡上来,进了我们的窗户,入了我们的宫殿;要从外边剪除孩童,从街上剪除少年人。
Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.
你当说,耶和华如此说:人的尸首必倒在田野像粪土,又像收割的人遗落的一把禾稼,无人收取。
Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny;
耶和华如此说:「智慧人不要因他的智慧夸口,勇士不要因他的勇力夸口,财主不要因他的财物夸口。
Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
夸口的却因他有聪明,认识我是耶和华,又知道我喜悦在世上施行慈爱、公平,和公义,以此夸口。这是耶和华说的。」
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa,
耶和华说:「看哪,日子将到,我要刑罚一切受过割礼、心却未受割礼的,
Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
就是埃及、犹大、以东、亚扪人、摩押人,和一切住在旷野剃周围头发的;因为列国人都没有受割礼,以色列人心中也没有受割礼。」