Jeremiah 50

耶和华借先知耶利米论巴比伦和迦勒底人之地所说的话。
Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny amin'i Babylona dia ny tanin'ny Kaldeana.
你们要在万国中传扬报告,竖立大旗;要报告,不可隐瞒,说:巴比伦被攻取,彼勒蒙羞,米罗达惊惶。巴比伦的神像都蒙羞;她的偶像都惊惶。
Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
「因有一国从北方上来攻击她,使她的地荒凉,无人居住,连人带牲畜都逃走了。」
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
耶和华说:「当那日子、那时候,以色列人要和犹大人同来,随走随哭,寻求耶和华─他们的 神。
Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny.
他们必访问锡安,又面向这里,说:『来吧,你们要与耶和华联合为永远不忘的约。』」
Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.
「我的百姓作了迷失的羊,牧人使他们走差路,使他们转到山上。他们从大山走到小山,竟忘了安歇之处。
Ondry very ny oloko, fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
凡遇见他们的,就把他们吞灭。敌人说:『我们没有罪;因他们得罪那作公义居所的耶和华,就是他们列祖所仰望的耶和华。』
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin'i Jehovah, fonenan'ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan'ny razany.
「我民哪,你们要从巴比伦中逃走,从迦勒底人之地出去,要像羊群前面走的公山羊。
Mandosira hila an'i Babylona, eny, mialà amin'ny tanin'ny Kaldeana, ary aoka ianareo ho tahaka ny anankiray izay tari-dalan'ny ondry aman'osy andiany.
因我必激动联合的大国从北方上来攻击巴比伦,他们要摆阵攻击她;他必从那里被攻取。他们的箭好像善射之勇士的箭,一枝也不徒然返回。
Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.
迦勒底必成为掠物;凡掳掠她的都必心满意足。这是耶和华说的。」
Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
抢夺我产业的啊,你们因欢喜快乐,且像踹谷撒欢的母牛犊,又像发嘶声的壮马。
Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
你们的母巴比伦就极其抱愧,生你们的必然蒙羞。她要列在诸国之末,成为旷野、旱地、沙漠。
Dia ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!
因耶和华的忿怒,必无人居住,要全然荒凉。凡经过巴比伦的要受惊骇,又因她所遭的灾殃嗤笑。
Noho ny fahatezeran'i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
所有拉弓的,你们要在巴比伦的四围摆阵,射箭攻击她。不要爱惜箭枝,因她得罪了耶和华。
Milahara manodidina hamely an'i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin'i Jehovah no nanotany.
你们要在她四围呐喊;她已经投降。外郭坍塌了,城墙拆毁了,因为这是耶和华报仇的事。你们要向巴比伦报仇;她怎样待人,也要怎样待她。
Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian'i Jehovah izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
你们要将巴比伦撒种的和收割时拿镰刀的都剪除了。他们各人因怕欺压的刀剑,必归回本族,逃到本土。
Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin'ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin'ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin'ny taniny avy.
「以色列是打散的羊,是被狮子赶出的。首先是亚述王将他吞灭,末后是巴比伦王尼布甲尼撒将他的骨头折断。」
Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan'i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.
所以万军之耶和华─以色列的 神如此说:「我必罚巴比伦王和他的地,像我从前罚亚述王一样。
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan'i Asyria.
我必再领以色列回他的草场,他必在迦密和巴珊吃草,又在以法莲山上和基列境内得以饱足。」
Ary hampodiko ho any amin'ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan'i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
耶和华说:「当那日子、那时候,虽寻以色列的罪孽,一无所有;虽寻犹大的罪恶,也无所见;因为我所留下的人,我必赦免。」
Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako.
耶和华说:上去攻击米拉大翁之地,又攻击比割的居民。要追杀灭尽,照我一切所吩咐你的去行。
Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
境内有打仗和大毁灭的响声。
Misy tabataban'ady amin'ny tany sy fandringanana be.
全地的大锤何竟砍断破坏?巴比伦在列国中何竟荒凉?
Indrisy! tapaka sy torotoro ilay fampohazan'ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana any amin'ny firenena.
巴比伦哪,我为你设下网罗,你不知不觉被缠住。你被寻著,也被捉住;因为你与耶和华争竞。
Nofandrihako ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa ianao, Satria nila ady tamin'i Jehovah.
耶和华已经开了武库,拿出他恼恨的兵器;因为主─万军之耶和华在迦勒底人之地有当做的事。
Novohan'i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan'ny fahatezerany; Fa misy hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
你们要从极远的边界来攻击她,开她的仓廪,将她堆如高堆,毁灭净尽,丝毫不留。
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.
要杀他的一切牛犊,使他们下去遭遇杀戮。他们有祸了,因为追讨他们的日子已经来到。
Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin'ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
(有从巴比伦之地逃避出来的人,在锡安扬声报告耶和华─我们的 神报仇,就是为他的殿报仇。)
Injany! misy feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
「招集一切弓箭手来攻击巴比伦。要在巴比伦四围安营,不要容一人逃脱,照著她所做的报应她;她怎样待人,也要怎样待她,因为她向耶和华─以色列的圣者发了狂傲。
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
所以她的少年人必仆倒在街上。当那日,一切兵丁必默默无声。这是耶和华说的。」
Koa hiampatrampatra eny ankalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
主─万军之耶和华说:你这狂傲的啊,我与你反对,因为我追讨你的日子已经来到。
Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
狂傲的必绊跌仆倒,无人扶起。我也必使火在他的城邑中著起来,将他四围所有的尽行烧灭。
Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
万军之耶和华如此说:「以色列人和犹大人一同受欺压;凡掳掠他们的都紧紧抓住他们,不肯释放。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.
他们的救赎主大有能力,万军之耶和华是他的名。他必伸清他们的冤,好使全地得平安,并搅扰巴比伦的居民。」
Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
耶和华说:有刀剑临到迦勒底人和巴比伦的居民,并她的首领与智慧人。
Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin'ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah.
有刀剑临到矜夸的人,他们就成为愚昧;有刀剑临到她的勇士,他们就惊惶。
Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
有刀剑临到他的马匹、车辆,和其中杂族的人民;他们必像妇女一样。有刀剑临到她的宝物,就被抢夺。
Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin'ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
有干旱临到她的众水,就必干涸;因为这是有雕刻偶像之地,人因偶像而颠狂。
Ny fihantonan'ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
所以旷野的走兽和豺狼必住在那里,鸵鸟也住在其中,永无人烟,世世代代无人居住。」
Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
耶和华说:「必无人住在那里,也无人在其中寄居,要像我倾覆所多玛、蛾摩拉,和邻近的城邑一样。
Toy ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any na zanak'olombelona hivahiny any.
看哪,有一种民从北方而来,并有一大国和许多君王被激动,从地极来到。
Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.
他们拿弓和枪,性情残忍,不施怜悯;他们的声音像海浪匉訇。巴比伦城(原文是女子)啊,他们骑马,都摆队伍如上战场的人,要攻击你。
Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
巴比伦王听见他们的风声,手就发软,痛苦将他抓住,疼痛彷彿产难的妇人。
Efa ren'ny mpanjakan'i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
「仇敌必像狮子从约旦河边的丛林上来,攻击坚固的居所。转眼之间,我要使他们逃跑,离开这地。谁蒙拣选,我就派谁治理这地。谁能比我呢?谁能给我定规日期呢?有何牧人能在我面前站立得住呢?
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
你们要听耶和华攻击巴比伦所说的谋略和他攻击迦勒底人之地所定的旨意。仇敌定要将他们群众微弱的拉去,定要使他们的居所荒凉。
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an'i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin'ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
因巴比伦被取的声音,地就震动,人在列邦都听见呼喊的声音。」
Noho ny antsoantso hoe: "Efa afaka Babylona", dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin'ny firenena.