Jeremiah 5

你们当在耶路撒冷的街上跑来跑去,在宽阔处寻找,看看有一人行公义求诚实没有?若有,我就赦免这城。
Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema.
其中的人虽然指著永生的耶和华起誓,所起的誓实在是假的。
Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
耶和华啊,你的眼目不是看顾诚实吗?你击打他们,他们却不伤恸;你毁灭他们,他们仍不受惩治。他们使脸刚硬过于磐石,不肯回头。
Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
我说:这些人实在是贫穷的,是愚昧的,因为不晓得耶和华的作为和他们 神的法则。
Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny;
我要去见尊大的人,对他们说话,因为他们晓得耶和华的作为和他们 神的法则。哪知,这些人齐心将轭折断,挣开绳索。
Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
因此,林中的狮子必害死他们;晚上(或译:野地)的豺狼必灭绝他们;豹子要在城外窥伺他们。凡出城的必被撕碎;因为他们的罪过极多,背道的事也加增了。
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
我怎能赦免你呢?你的儿女离弃我,又指著那不是神的起誓。我使他们饱足,他们就行奸淫,成群地聚集在娼妓家里。
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin'izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga.
他们像餵饱的马到处乱跑,各向他邻舍的妻发嘶声。
Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.
耶和华说:我岂不因这些事讨罪呢?岂不报复这样的国民呢?
Tsy hovaliako va izy amin'izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
你们要上她葡萄园的墙施行毁坏,但不可毁坏净尽,只可除掉她的枝子,因为不属耶和华。
Miakara eo amin'ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an'i Jehovah izy.
原来以色列家和犹大家大行诡诈攻击我。这是耶和华说的。
Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, hoy Jehovah.
他们不认耶和华,说:这并不是他,灾祸必不临到我们;刀剑和饥荒,我们也看不见。
Nahafoy an'i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
先知的话必成为风;道也不在他们里面。这灾必临到他们身上。
Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.
所以耶和华─万军之 神如此说:因为百姓说这话,我必使我的话在你口中为火,使他们为柴;这火便将他们烧灭。
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.
耶和华说:以色列家啊,我必使一国的民从远方来攻击你,是强盛的国,是从古而有的国。他们的言语你不晓得,他们的话你不明白。
Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
他们的箭袋是敞开的坟墓;他们都是勇士。
Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
他们必吃尽你的庄稼和你的粮食,是你儿女该吃的;必吃尽你的牛羊,吃尽你的葡萄和无花果;又必用刀毁坏你所倚靠的坚固城。
Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
耶和华说:「就是到那时,我也不将你们毁灭净尽。
Nefa na dia amin'izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
百姓若说:『耶和华─我们的 神为什么向我们行这一切事呢?』你就对他们说:『你们怎样离弃耶和华(原文是我),在你们的地上事奉外邦神,也必照样在不属你们的地上事奉外邦人。』」
Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin'ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin'ny tany izay tsy anareo.
当传扬在雅各家,报告在犹大说:
Ambarao ao amin'ny taranak'i Jakoba, ary torio ao amin'ny Joda hoe:
愚昧无知的百姓啊,你们有眼不看,有耳不听,现在当听这话。
Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
耶和华说:你们怎么不惧怕我呢?我以永远的定例,用沙为海的界限,水不得越过。因此,你们在我面前还不战兢么?波浪虽然翻腾,却不能逾越;虽然匉訇,却不能过去。
Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
但这百姓有背叛忤逆的心;他们叛我而去,
Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodina izy ka lasa,
心内也不说:我们应当敬畏耶和华─我们的 神;他按时赐雨,就是秋雨春雨,又为我们定收割的节令,永存不废。
Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.
你们的罪孽使这些事转离你们;你们的罪恶使你们不能得福。
Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
因为在我民中有恶人。他们埋伏窥探,好像捕鸟的人;他们设立圈套陷害人。
Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
笼内怎样满了雀鸟,他们的房中也照样充满诡诈;所以他们得成为大,而且富足。
Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
他们肥胖光润,作恶过甚,不为人伸冤!就是不为孤儿伸冤,不使他亨通,也不为穷人辨屈。
Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan'ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin'ny malahelo tsy mba tsarainy.
耶和华说:我岂不因这些事讨罪呢?岂不报复这样的国民呢?
Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
国中有可惊骇、可憎恶的事:
Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin'ny tany;
就是先知说假预言,祭司借他们把持权柄;我的百姓也喜爱这些事,到了结局你们怎样行呢?
Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona : manapaka araka izay atoron'ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any amparany?