Jeremiah 46

耶和华论列国的话临到先知耶利米。
Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.
论到关乎埃及王法老尼哥的军队:这军队安营在幼发拉底河边的迦基米施,是巴比伦王尼布甲尼撒在犹大王约西亚的儿子约雅敬第四年所打败的。
Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
你们要预备大小盾牌,往前上阵。
Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
你们套上车,骑上马!顶盔站立,磨枪贯甲!
Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
我为何看见他们惊惶转身退后呢?他们的勇士打败了,急忙逃跑,并不回头;惊吓四围都有!这是耶和华说的。
Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
不要容快跑的逃避;不要容勇士逃脱(或译:快跑的不能逃避;勇士不能逃脱);他们在北方幼发拉底河边绊跌仆倒。
Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
像尼罗河涨发,像江河之水翻腾的是谁呢?
Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
埃及像尼罗河涨发,像江河的水翻腾。他说:我要涨发遮盖遍地;我要毁灭城邑和其中的居民。
Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
马匹上去吧!车辆急行吧!勇士,就是手拿盾牌的古实人和弗人(又作利比亚人),并拉弓的路德族,都出去吧!
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
那日是主─万军之耶和华报仇的日子,要向敌人报仇。刀剑必吞吃得饱,饮血饮足;因为主─万军之耶和华在北方幼发拉底河边有献祭的事。
Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.
埃及的民(原文是处女)哪,可以上基列取乳香去;你虽多服良药,总是徒然,不得治好。
Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao,
列国听见你的羞辱,遍地满了你的哀声;勇士与勇士彼此相碰,一齐跌倒。
Efa ren'ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
耶和华对先知耶利米所说的话,论到巴比伦王尼布甲尼撒要来攻击埃及地:
Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.
你们要传扬在埃及,宣告在密夺,报告在挪弗、答比匿说:要站起出队,自作准备,因为刀剑在你四围施行吞灭的事。
Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
你的壮士为何被冲去呢?他们站立不住;因为耶和华驱逐他们,
Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
使多人绊跌;他们也彼此撞倒,说:起来吧!我们再往本民本地去,好躲避欺压的刀剑。
Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza,
他们在那里喊叫说:埃及王法老不过是个声音(或译:已经败亡);他已错过所定的时候了。
Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
君王─名为万军之耶和华的说:我指著我的永生起誓:尼布甲尼撒(原文是他)来的势派必像他泊在众山之中,像迦密在海边一样。
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
住在埃及的民哪(原文是女子),要预备掳去时所用的物件;因为挪弗必成为荒场,且被烧毁,无人居住。
Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
埃及是肥美的母牛犊;但出于北方的毁灭(或译:牛虻)来到了!来到了!
Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
其中的雇勇好像圈里的肥牛犊,他们转身退后,一齐逃跑,站立不住;因为他们遭难的日子、追讨的时候已经临到。
Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
其中的声音好像蛇行一样。敌人要成队而来,如砍伐树木的手拿斧子攻击他。
Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.
耶和华说:埃及的树林虽然不能寻察(或译:穿不过),敌人却要砍伐,因他们多于蝗虫,不可胜数。
Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
埃及的民(原文是女子)必然蒙羞,必交在北方人的手中。
Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.
万军之耶和华─以色列的 神说:「我必刑罚挪的亚扪(埃及尊大之神)和法老,并埃及与埃及的神,以及君王,也必刑罚法老和倚靠他的人。
Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
我要将他们交付寻索其命之人的手和巴比伦王尼布甲尼撒与他臣仆的手;以后埃及必再有人居住,与从前一样。这是耶和华说的。」
Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
我的仆人雅各啊,不要惧怕!以色列啊,不要惊惶!因我要从远方拯救你,从被掳到之地拯救你的后裔。雅各必回来,得享平靖安逸,无人使他害怕。
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
我的仆人雅各啊,不要惧怕!因我与你同在。我要将我所赶你到的那些国灭绝净尽,却不将你灭绝净尽,倒要从宽惩治你,万不能不罚你(不罚你:或译以你为无罪)。这是耶和华说的。
Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.