Jeremiah 44

有临到耶利米的话,论及一切住在埃及地的犹大人,就是住在密夺、答比匿、挪弗、巴忒罗境内的犹大人,说:
Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:
「万军之耶和华─以色列的 神如此说:我所降与耶路撒冷和犹大各城的一切灾祸你们都看见了。那些城邑今日荒凉,无人居住;
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,
这是因居民所行的恶,去烧香事奉别神,就是他们和你们,并你们列祖所不认识的神,惹我发怒。
noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.
我从早起来差遣我的仆人众先知去说,你们切不要行我所厌恶这可憎之事。
Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.
他们却不听从,不侧耳而听,不转离恶事,仍向别神烧香。
Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa.
因此,我的怒气和忿怒都倒出来,在犹大城邑中和耶路撒冷的街市上,如火著起,以致都荒废凄凉,正如今日一样。
Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.
现在耶和华─万军之 神、以色列的 神如此说:你们为何作这大恶自害己命,使你们的男人、妇女、婴孩,和吃奶的都从犹大中剪除、不留一人呢?
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,
就是因你们手所做的,在所去寄居的埃及地向别神烧香惹我发怒,使你们被剪除,在天下万国中令人咒诅羞辱。
noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?
你们列祖的恶行,犹大列王和他们后妃的恶行,你们自己和你们妻子的恶行,就是在犹大地、耶路撒冷街上所行的,你们都忘了吗?
Moa hadinonareo va ny ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema?
到如今还没有懊悔,没有惧怕,没有遵行我在你们和你们列祖面前所设立的法度律例。
Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo.
「所以万军之耶和华─以色列的 神如此说:我必向你们变脸降灾,以致剪除犹大众人。
Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.
那定意进入埃及地、在那里寄居的,就是所剩下的犹大人,我必使他们尽都灭绝,必在埃及地仆倒,必因刀剑饥荒灭绝;从最小的到至大的都必遭刀剑饥荒而死,以致令人辱骂、惊骇、咒诅、羞辱。
Ary halaiko ny sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.
我怎样用刀剑、饥荒、瘟疫刑罚耶路撒冷,也必照样刑罚那些住在埃及地的犹大人;
Fa hovaliako izay monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
甚至那进入埃及地寄居的,就是所剩下的犹大人,都不得逃脱,也不得存留归回犹大地。他们心中甚想归回居住之地;除了逃脱的以外,一个都不能归回。」
Ary na sisa amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.
那些住在埃及地巴忒罗知道自己妻子向别神烧香的,与旁边站立的众妇女,聚集成群,回答耶利米说:
Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:
「论到你奉耶和华的名向我们所说的话,我们必不听从。
Raha ny amin'ilay teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.
我们定要成就我们口中所出的一切话,向天后烧香、浇奠祭,按著我们与我们列祖、君王、首领在犹大的城邑中和耶路撒冷的街市上素常所行的一样;因为那时我们吃饱饭、享福乐,并不见灾祸。
Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.
自从我们停止向天后烧香、浇奠祭,我们倒缺乏一切,又因刀剑饥荒灭绝。」
Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary.
妇女说:「我们向天后烧香、浇奠祭,做天后像的饼供奉她,向她浇奠祭,是外乎我们的丈夫吗?」
Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?
耶利米对一切那样回答他的男人妇女说:
Ary hoy Jeremia tamin'ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay efa namaly azy:
「你们与你们列祖、君王、首领,并国内的百姓,在犹大城邑中和耶路撒冷街市上所烧的香,耶和华岂不记念,心中岂不思想吗?
Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va?
耶和华因你们所作的恶、所行可憎的事,不能再容忍,所以你们的地荒凉,令人惊骇咒诅,无人居住,正如今日一样。
Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio izao.
你们烧香,得罪耶和华,没有听从他的话,没有遵行他的律法、条例、法度,所以你们遭遇这灾祸,正如今日一样。」
Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin'izao anio izao,
耶利米又对众民和众妇女说:「你们在埃及地的一切犹大人当听耶和华的话。
Ary hoy koa Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta:
万军之耶和华─以色列的 神如此说:你们和你们的妻都口中说、手里做,说:『我们定要偿还所许的愿,向天后烧香、浇奠祭。』现在你们只管坚定所许的愿而偿还吧!
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.
所以你们住在埃及地的一切犹大人当听耶和华的话。耶和华说:我指著我的大名起誓,在埃及全地,我的名不再被犹大一个人的口称呼说:『我指著主─永生的耶和华起誓。』
Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.
我向他们留意降祸不降福;在埃及地的一切犹大人必因刀剑、饥荒所灭,直到灭尽。
Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.
脱离刀剑、从埃及地归回犹大地的人数很少;那进入埃及地要在那里寄居的,就是所剩下的犹大人,必知道是谁的话立得住,是我的话呢?是他们的话呢?
Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
耶和华说:我在这地方刑罚你们,必有预兆,使你们知道我降祸与你们的话必要立得住。
Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:
耶和华如此说:我必将埃及王法老合弗拉交在他仇敌和寻索其命的人手中,像我将犹大王西底家交在他仇敌和寻索其命的巴比伦王尼布甲尼撒手中一样。」
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.