Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
Miforà ho an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
Ambaraonareo ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin'ny tanàna mimanda.
Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.
Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.
Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona.