Jeremiah 36

犹大王约西亚的儿子约雅敬第四年,耶和华的话临到耶利米说:
Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:
「你取一书卷,将我对你说攻击以色列和犹大,并各国的一切话,从我对你说话的那日,就是从约西亚的日子起直到今日,都写在其上。
Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.
或者犹大家听见我想要降与他们的一切灾祸,各人就回头,离开恶道,我好赦免他们的罪孽和罪恶。」
Angamba hoheverin'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
所以,耶利米召了尼利亚的儿子巴录来;巴录就从耶利米口中,将耶和华对耶利米所说的一切话写在书卷上。
Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
耶利米吩咐巴录说:「我被拘管,不能进耶和华的殿。
Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah;
所以你要去趁禁食的日子,在耶和华殿中将耶和华的话,就是你从我口中所写在书卷上的话,念给百姓和一切从犹大城邑出来的人听。
fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.
或者他们在耶和华面前恳求各人回头,离开恶道,因为耶和华向这百姓所说要发的怒气和忿怒是大的。」
Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.
尼利亚的儿子巴录就照先知耶利米一切所吩咐的去行,在耶和华的殿中从书上念耶和华的话。
Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
犹大王约西亚的儿子约雅敬第五年九月,耶路撒冷的众民和那从犹大城邑来到耶路撒冷的众民,在耶和华面前宣告禁食的日子,
Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.
巴录就在耶和华殿的上院,耶和华殿的新门口,沙番的儿子文士基玛利雅的屋内,念书上耶利米的话给众民听。
Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.
沙番的孙子、基玛利雅的儿子米该亚听见书上耶和华的一切话,
Ary nony ren'i Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny boky,
他就下到王宫,进入文士的屋子。众首领,就是文士以利沙玛、示玛雅的儿子第莱雅、亚革波的儿子以利拿单、沙番的儿子基玛利雅、哈拿尼雅的儿子西底家,和其余的首领都坐在那里。
dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.
于是米该亚对他们述说他所听见的一切话,就是巴录向百姓念那书的时候所听见的。
Dia nambaran'i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy teo anatrehan'ny vahoaka.
众首领就打发古示的曾孙、示利米雅的孙子、尼探雅的儿子犹底到巴录那里,对他说:「你将所念给百姓听的书卷拿在手中到我们这里来。」尼利亚的儿子巴录就手拿书卷来到他们那里。
Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
他们对他说:「请你坐下,念给我们听。」巴录就念给他们听。
Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo anatrehany.
他们听见这一切话就害怕,面面相观,对巴录说:「我们必须将这一切话告诉王。」
Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
他们问巴录说:「请你告诉我们,你怎样从他口中写这一切话呢?」
Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany.
巴录回答说:「他用口向我说这一切话,我就用笔墨写在书上。」
Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.
众首领对巴录说:「你和耶利米要去藏起来,不可叫人知道你们在哪里。」
Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
众首领进院见王,却先把书卷存在文士以利沙玛的屋内,以后将这一切话说给王听。
Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
王就打发犹底去拿这书卷来,他便从文士以利沙玛的屋内取来,念给王和王左右侍立的众首领听。
Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
那时正是九月,王坐在过冬的房屋里,王的前面火盆中有烧著的火。
Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
犹底念了三四篇(或译:行),王就用文士的刀将书卷割破,扔在火盆中,直到全卷在火中烧尽了。
Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
王和听见这一切话的臣仆都不惧怕,也不撕裂衣服。
Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
以利拿单和第莱雅,并基玛利雅恳求王不要烧这书卷,他却不听。
Ary na dia efa nifona tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
王就吩咐哈米勒的儿子(或译:王的儿子)耶拉篾和亚斯列的儿子西莱雅,并亚伯叠的儿子示利米雅,去捉拿文士巴录和先知耶利米。耶和华却将他们隐藏。
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy.
王烧了书卷(其上有巴录从耶利米口中所写的话)以后,耶和华的话临到耶利米说:
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i Jeremia, nanao hoe:
「你再取一卷,将犹大王约雅敬所烧第一卷上的一切话写在其上。
Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda.
论到犹大王约雅敬你要说,耶和华如此说:你烧了书卷,说:『你为什么在其上写著,说巴比伦王必要来毁灭这地,使这地上绝了人民牲畜呢?』
Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?
所以耶和华论到犹大王约雅敬说:他后裔中必没有人坐在大卫的宝座上;他的尸首必被抛弃,白日受炎热,黑夜受寒霜。
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.
我必因他和他后裔,并他臣仆的罪孽刑罚他们。我要使我所说的一切灾祸临到他们和耶路撒冷的居民,并犹大人;只是他们不听。」
Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
于是,耶利米又取一书卷交给尼利亚的儿子文士巴录,他就从耶利米的口中写了犹大王约雅敬所烧前卷上的一切话,另外又添了许多相彷的话。
Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.