Jeremiah 17

犹大的罪是用铁笔、用金钢钻记录的,铭刻在他们的心版上和坛角上。
Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany,
他们的儿女记念他们高冈上、青翠树旁的坛和木偶。
Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.
我田野的山哪,我必因你在四境之内所犯的罪,把你的货物、财宝,并邱坛当掠物交给仇敌;
Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra.
并且你因自己的罪必失去我所赐给你的产业。我也必使你在你所不认识的地上服事你的仇敌;因为你使我怒中起火,直烧到永远。
Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
耶和华如此说:倚靠人血肉的膀臂,心中离弃耶和华的,那人有祸了!
Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.
因他必像沙漠的杜松,不见福乐来到,却要住旷野干旱之处,无人居住的碱地。
Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.
倚靠耶和华、以耶和华为可靠的,那人有福了!
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
他必像树栽于水旁,在河边扎根,炎热来到,并不惧怕,叶子仍必青翠,在干旱之年毫无挂虑,而且结果不止。
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
人心比万物都诡诈,坏到极处,谁能识透呢?
Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
我─耶和华是鉴察人心、试验人肺腑的,要照各人所行的和他做事的结果报应他。
Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
那不按正道得财的,好像鹧鸪菢不是自己下的蛋;到了中年,那财都必离开他,他终久成为愚顽人。
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.
我们的圣所是荣耀的宝座,从太初安置在高处。
Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.
耶和华─以色列的盼望啊,凡离弃你的必致蒙羞。耶和华说:离开我的,他们的名字必写在土里,因为他们离弃我这活水的泉源。
Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.
耶和华啊,求你医治我,我便痊癒,拯救我,我便得救;因你是我所讚美的。
Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
他们对我说:耶和华的话在哪里呢?叫这话应验吧!
Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
至于我,那跟从你作牧人的职分,我并没有急忙离弃,也没有想那灾殃的日子;这是你知道的。我口中所出的言语都在你面前。
Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
不要使我因你惊恐;当灾祸的日子,你是我的避难所。
Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!
愿那些逼迫我的蒙羞,却不要使我蒙羞;使他们惊惶,却不要使我惊惶;使灾祸的日子临到他们,以加倍的毁坏毁坏他们。
Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
耶和华对我如此说:「你去站在平民的门口,就是犹大君王出入的门,又站在耶路撒冷的各门口,
Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema
对他们说:『你们这犹大君王和犹大众人,并耶路撒冷的一切居民,凡从这些门进入的都当听耶和华的话。
ka lazao amin'ny olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto.
耶和华如此说:你们要谨慎,不要在安息日担什么担子进入耶路撒冷的各门;
Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema;
也不要在安息日从家中担出担子去。无论何工都不可做,只要以安息日为圣日,正如我所吩咐你们列祖的。』
ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
他们却不听从,不侧耳而听,竟硬著颈项不听,不受教训。」
Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
耶和华说:「你们若留意听从我,在安息日不担什么担子进入这城的各门,只以安息日为圣日,在那日无论何工都不做;
Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,
那时就有坐大卫宝座的君王和首领,他们与犹大人,并耶路撒冷的居民,或坐车,或骑马,进入这城的各门,而且这城必存到永远。
izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
也必有人从犹大城邑和耶路撒冷四围的各处,从便雅悯地、高原、山地,并南地而来,都带燔祭、平安祭、素祭,和乳香,并感谢祭,到耶和华的殿去。
Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.
你们若不听从我,不以安息日为圣日,仍在安息日担担子,进入耶路撒冷的各门,我必在各门中点火;这火也必烧毁耶路撒冷的宫殿,不能熄灭。」
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.